Filoha Rajoelina Andry : “Mila jerena izay mahatonga ny tondradrano”

Nidina ifotony nitondra fanampiana ho an’ireo traboina ny filoha Rajoelina Andry. Teo koa ny toromarika nomeny manoloana izao fiakaran’ny rano izao.

“Mila jerena tsara ny fanorenana tsy ma­nara-dalàna, indrindra ny fanotofana tany miteraka tondradrano ka mahavoa ny hafa. Tsy manara-dalàna ny fisian’ny fanotorana tata-drano, ka manimba ny fenitra ahazoan’ny rano mikoriana sy mivoaka araka ny tokony ho izy”. Io ny hafatry ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ho an’ny Apipa, ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo sy ny manodidina, tamin’ny fidinana ifotony nitsidihany ireo traboina teny Anosizato Andrefana, Antananarivo Atsimondrano, omaly. 1 600 mahery ireo traboina, avy amin’ny tokantrano 400, nitoby eny amin’ny “site pilote” taorian’ny famonjena sy fandraisana an-tanana azy ireo. Misy fanampiana iatrehana ny fiakaran’ny rano: vary 10 kg isan-tokantrano, ronono mandry, menaka, bodofotsy, vola 100 000 Ar… Nankahery an’
ireo voatery nifindra monina sy nandao ny trano izy, indrindra ireo reny mitaiza kely sy zokiolona izay nahazo fanomezana fanampiny.
Eo hatrany ny fitondram-panjakana
“Ho anareo rehetra manana fahefana: rehefa omena fahefana sy andraikitra ianao, hasoavy ny vahoaka sy ny olona tokony hasoavina”, hoy izy. Tsy irery ireo traboina, fa eo anilan’izy ireo mandrakariva ny fitondram-panjakana. Izay tsara fiomanana, tsy tampohin’ny loza. Tamin’ity taona ity, hita sy tsapa ny ezaka ataon’ny fikambanana na ny tomponandraikitra tsirairay avy. Ao ny BNGRC, ny mpitandro filaminana, ny minisitera rehetra… Natao ny fiomanana mialoha dia nihena ny traboina izay tokony ho maro no ho izao. Nisaorany manokana izy ireo, ary mila tohizina hatrany ny ezaka. Izay no ma­hatonga ho tomponandraikitra: hiahy ny vahoaka, indrindra hanasoa ny vahoaka.

R. Nd.

Partager sur: