Hotanterahina any Mahajanga ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ny 4 hatramin’ny 8 marsa izao. Fitovian-jo sy fizakan-tena ho an’ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra no lohahevitrra amin’izany. Ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy, no hitarika ny hetsika rehetra amin’izany.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa nasiam-panovana momba ny fandefasana ny andiany faha-24 amin’ny iraka sinoa ara-pahasalamana eto Madagasikara. Tanjona ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny Malagasy mpitsabo sy ny sinoa sy fandraisana an-tanana ireo marary.
Nomena fiofanana ireo mpisehatra amin’ny asa fitateram-bahoaka. Nampahafantarina azy ireo ny ady amin’ny kolikoly an-dalambe, paikady vaovao isorohana ny lozam-pifamoivoizana, familiana hieren-doza, ny andraikitry ny trano fiantohana, ny fampahatsiahivana ireo lalana mifehy ny fifamoivoizana…
Nifandinika ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, sy ny avy ao amin’ny BNGRC ny amin’ny fandrindrana ny fiahiana ireo olona traboina amin’izao fotoana. Nojerena ihany koa ny toerana hametrahana azy ireo vonjimaika mandra-pidin’ny rano any amin’ny tokantranony.