Hatairana ny an’ny fokonolona raha nahita fatim-behivavy iray tokony ho 45 taona, nisy nanipy tamina kirihitr’ala ao Ambodiantafana RN 5, omaly maraina. Tsy lavitra ny arabe no nahitana ny fatiny, akaikin’ny toeram-pivarotana hanimasaka sy voandalana ho an’ireo olona mifamezivezy amin’iny lalana iny. Tonga teny an-toerana nanao fizahana ny razana ny dokotera niaraka tamin’ny zandary. Voamarina tao anatin’ny fizahana fa novonoina tany an-toeran-kafa ity renim-pianakaviana ity vao natsipin’ireo nahavanon-doza tao amin’ io kirihitr’ala io. Niharan’ny fanolanana tambabe izy mialoha ny namonoana azy satria feno ra ny maha vehivavy azy sady maratra be. Tao anatin’ny fizahana nataon’ny mpitsabo ihany koa no nahalalana fa mitondra vohoka izy. Vory lanona ireo olona nahita ny razana saingy nilaza ho tsy mahafantatra azy. Tsy nahitana taratasy na zavatra hafa ahafantarana azy rahateo teny aminy. Nomen’ny tomponandraikitra alalana, araka izany, ny fokonolona tao an-toerana hanao ny fandevenana azy. Tsy fantatra ihany koa ny fianakaviany. Manao antso amin’izay mety ho mahafantatra azy sy/na koa fianakaviany ny zandary. Aiza ihany ny fampiharana ilay lalàna amin’ireo jiolahy manao fihetsika mamoafady toa izao? Arakaraka ny nametrahana ilay lalàna momba ny famosirana no vao mainka nampirongatra izany.
Sajo/J.C