Nifanenjehana teny Ampasika sy Andohatapenaka ry Ramahagaga sy ny tariny, omaly hariva. Vokany, roa no maty voatifitry ny polisy. Ny iray azo sambo-belona.
Jiolahy roa lavon’ny balan’ ny polisim-pirenena avy amin’ny Fip, omaly, tetsy Andohatapenaka, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Iray hafa azo sambo-belona. Niafina ora maro tao anaty rano misy tsikafona teny amin’ny manodidina ny iray tamin’izy ireo taorian’ny fifanenjehana. Nandrasan’ny mpitandro filaminana avy amin’ny polisy sy zandary teny amin’ny toerana voalaza izy io. Hita tao ihany ary maty voatifitra ihany koa omaly hariva tamin’ny 7 ora mahery teo.
Jiolahy efa ela nokarohina izy ireo, fantatra nandritra ny angom-baovao fa miafina tao amin’ny trano iray eny Andohatapenaka I. Nidina ifotony sy nanao ny fanaraha-maso ny polisim-pirenena nizaha teny an-toerana. Nitsoaka avy hatrany ireto olon-dratsy ireto vao nahatazana ny mpitandro filaminana ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany, voatifitra ny iray tamin’ireo jiolahy, azo sambo-belona ny iray hafa. Namaly tifitra tamin’ny basy teny aminy kosa ny jiolahy iray, ka nahatifitra polisy iray. Efa nentina eny anivon’ny hopitaly miaramila Soavanandriana kosa ilay polisy voatifitra.
Niafina tao anaty rano misy tsikafona
Nandositra sy nilatsaka tao anaty rano feno tsikafona iray tetsy Andohatapenaka I, faritra Befetrika, io jiolahy io. Norarafan’ny mpitandro filaminana bala ny tsikafona rehetra, vantany vao tafiditra tao anaty rano io jiolahy io. Efa nandrasan’ny polisim-pirenena maro isan-tsokajiny moa ny manodidina ny toerana voalaza fa nirotsahan’io olon-dratsy io. Tonga teny an-toerana ihany koa nanatevin-daharana ny avy amin’ny zandarimaria sy ny avy amin’ny mpamonnjy voina. Hita sy maty voatifitra kosa izy io tamin’ny 7 ora hariva tany ho any.
Ankoatra izay, jiolahy iray hafa, maty voatifitry ny polisy tetsy Ankadievo Alasora, omaly ihany. Nanomboka tamin’ny 1 ora sy sasany atoandro ny fanenjehana. Tafiditra tao anatin’ny ady amin’ny fanafihana mitam-piadiana avokoa izao hetsika ataon’ny mpitandro filaminana izao. Marihina fa miisa dimy ny jiolahy maty, roa azo sambom-belona, tao anatin’ny telo andro.
Mino