Hotontosaina manomboka amin’ny faran’ny herinandro ho avy io ny andro fahefatry ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “World Cola PFL”. Anisan’ireo fihaonana heverina ho toy ny famaranana ny fifanandrinan’ny AS Ste Anne Avenir (Assa) sy ny Fosa Juniors FC, izay hatao rahampitso, eny amin’ny Kianja CFFA Andoharanofotsy.
Nilaza ny filohan’ny klioba AS Ste Anne Avenir, Randrianarison Emile, fa efa vonona tanteraka ny ekipany ary fotoana iray io hanaporofoin’ny klioba fa efa mifoha amin’ny torimasony izy ireo, taorian’iny faharesena nanoloana ny CFFA, ny alahady lasa teo, iny. “Klioba goavana sady efa manana traikefa ny Fosa Juniors FC. Hiezaka izahay ny hitady fandresena eo anatrehan’izy ireo. Ary mahery fo tentaraka ny mpilalaonay amin’izao fotoana izao”, hoy ny lehiben’ny klioba Assa.
Tsiahivina fa klioba iray vao niakatra ny AS Ste Anne Avenir ary mametraka tanjona ambony ry zareo dia ny ho lasa tompondakan’ny “World Cola PFL 2025”.
Ireo fandaharan-dalao rehetra :
Sabotsy 22 febroary 2025
Kianja CFFA Andoharanofotsy
2 ora : AS Ste Anne Avenir vs Fosa Juniors FC
Kianja Stade Antanikatsaka
2 ora : Ajesaia vs Mama FC
Alahady 23 febroary 2025
Kianja Alarobia
2 ora : Uscafoot vs Disciples FC
Kianja Ambohidratrimo
2 ora : FC Rouge vs Elgeco plus
Kianja CFFA Iavoloha
2 ora : CFFA vs Cosfa
Tompondaka