SOMBIM-BAOVAO

Toa mangina tanteraka indray ilay resaka hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tanin’ny baolian kitra, lalaovin’olona dimy, na Foot à 5. Efa hiditra ny volana marsa izao, hatramin’ny omaly, tsy ahitana siosion-dresaka mandeha mahakasika izany. Marihina fa tsy misy idiran’ny Fifa ity tetikasa baolina kitra Foot à 5 ity.

Mitohy hatrany ny fanomanan-tenan’ny ekipan’ny GNVB sy ny Squad X izay hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, faritra faha-7, taranja volley-ball, izay hatao any Maorisy, ny 1 hatramin’ny 3 marsa izao. Mbola hisy ny lalao ara-pirahalahiana maro hatrehin’izy ireo, eo amin’ny samy klioba.

Mbola mitohy hatrany ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, amin’ny faran’ity herinandro ity, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny DTN, Jean Felix, fa efa manakaiky ny dingana famaranana ny fifaninanana ary tsapa fa tena miakatra ny lentan’ny mpifaninana.

Efa ao anatin’ny heriny tsara ny ekipan’ny Real Madrid, Espagne, amin’izao fotoana izao, indrindra fa tamin’ity « Ligue des Champions 2025 » ity. Porofon’izany ny vokatra azon’izy ireo, rehefa nifandona tamin’ny Manchester City, Angleterre, ny alarobia lasa teo, tao Bernabeu. Nahatafiditra baolina telo moa i Kylian Mbappé, lohalaharana Real Madrid.

Partager sur: