TARATRY ny KANTO

Fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana. Tafiditra ho lohahevitra maneran-tany ny « Teny miasa ho an’ny fampandrosoana lovain-jafy ». Ho an’i Madagasikara manokana: « Harena ho an’ny teny malagasy ny fiteny samihafa eto Madagasi­kara ». Hisy ny velakevitra sy fifanakalozan-kevitra: « Ny fiteny malagasy an-tranonkalo sy ny hairaha » sy « Ny teny malagasy sy ny karazan-dikateny holovain-jafy », anio, eny amin’ny Akademia Malagasy Tsimba­zaza.
Jeahy eny amin’ny La Teinturerie Ampasa­nimalo. Toerana ahitana an-tsehatra ireo mpanakanto vao mampahafantatra ny mozikany ity. Hiaka-tsehatra voalohany, manomboka amin’ny 8 ora alina, anio, ny tarika Jeahy. Fanambarana ny beko avy any atsimo sy ny mozika maoderina, kanefa mampiasa ireo zavamaneno nentim-paharazana ihany ny tarika.
Ingahibe Tselonina etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Mbola eo hatrany izy sy ny hira vokatry ny tany, hampirevy ireo mpankafy, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hitrotro ny mozikan’Ingahibe Tselonina amin’ity ry Njara, Rakri ary Rah-Nôna. Eo ihany koa i Fara Gloum hanao ireo hira misy feom-behivavy nampiavaka ny tarika hatrany amin’ny fiandohany.
Manomboka liana amin’ny fombany ny Mala­gasy. Miha maro hatrany ireo liana amin’ny « Taom­baovao malagasy ». Manatombo ny tanora. Fantatra fa sekoly maro no hanamarika ity vanim-potoana lehibe ity, ny 30 marsa ho avy izao. « Ezahina haverina sy iainana ireo nampitain’ny mpahay tantara sy fomba », hoy ny nambaran’ny tomponandraikitra any amin’ireny sekoly ireny. Tsy ny sekoly an-tanàn-dehibe ihany fa handray anjara mavitrika ihany koa ny sekoly manodidina.

Partager sur: