Nampahafantatra ny Meteo fa mandindona an’i Madagasikara ireo tangoron-drahona roa manakaiky ny morontsiraka andaniny sy ankilany. Ny iray ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ary ny iray ao amin’ny ranomasimbe Indianina.
Arahi-maso akaiky ireo tangoron-drahona ireo ary ho hita ny fivoarany any amin’ny faran’ny herinandro any.
Mbola hanjaka kosa ny oram-pahavaratra saika manerana ny Nosy ao anatin’ny telo andro ho avy. Hanatombo kokoa ny rotsakorana any Fitovinany, Atsimo Atsinanana ary ny distrikan’i Taolagnaro, anio sy rahampitso. Mila miomana amin’izany ireo rehetra tsy maintsy hivoaka ny trano. Tokony ho mailo amin’ny fiakaran’ny renirano, ny fihotsahan’ny tany…
Hihena kosa ny rotsakorana amin’ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany. Raha ny eto Antananarivo, mbola tena avo ny rano ka mila mitandrina, indrindra ireo tsy maintsy miampita lakana mamonjy akany.
Tatiana A