Tsy milamina i Toamasina : Tonga any an-tokantranona polisy ny asan-jiolahy

Mahamay sy tsy mi­la­mina ny tanànan’ i Toamasina sy ny manodidina amin’ny resaka tsy fandriampahalemana. Saika an­drene­sana loza vokatry ny asan-jiolahy isan­’ andro, any an-toerana.

Vaky trano etsy, fandrobana nampiasana fitaovam-piadiana eroa. Ny olona matina tsatoka antsy, fanolanana sy ny fanendahana manginy fotsiny manerana ny elanelantrano. Amin’izay indrindra, tonga hatreny am-baravarana sy any an-tokantranona polisy ny asa ratsin’ny jiolahy. Ny alin’ny alarobia 19 hifoha ny alakamisy 20 febroary teo, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, nidiran’olona tao an-tokantranon’ ny polisy iray vao nirava nanatanteraka ny asany nanao “patrouil­le”, niaraka tamin’ny namany sy ny kaomandin’ny Fip. Taorian’ny firavana avy nanao ny asany, namerina basy tany amin’ny birao ary namonjy fodiana any amin’ny tokantranony An­drano­madio parisela 11/41, zana-paritra faharoa, ity farany, izay ratsy lalana no maizimaizina. 2 kilometatra miala ny godorao, ary efa faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny alina io faritra io.
Raha ny angom-baovao teny ifotony, jiolahy manodidina ny valo teo ho eo no niara-nanatanteraka ny fanafihana. Niditra tamina lakoro mifanila amin’ny tranon’ilay niharam-boina ireo jiolahy ary nihanika tohatra. Vao tafiditra ny lakoro dia namaky ny varavarana avaratra amin’ilay trano. Nandre izany izy mianaka tao an-trano ka nivoaka ny varavarana atsimo, mifanohitra amin’ny novakin’ ireo jiolahy, Andriamanana Jean Christian, zanak’ ilay polisy. Avy hatrany dia nofirain’ireo jiolahy tamin’ny famaky teo amin’ny fihirifany. Mbola narahina tifitra basy izany. Vokany maty tsy tra-drano ity farany.
Voaroba ny lelavola 7 600 000 Ariary
Vao tafiditra tao an-trano ny ampahany tamin’ ireo jiolahy izay nisaron-tava dia nandrahona an’ilay polisy. Nanery ity farany hamoaka ny vola hividianana bateria sy ny basy fampiasany.  «Tsy mitondra basy mody ary tsy manana vola izahay », hoy ilay niharam-boina. Nivadika tamin’ny efitra hafa ny sasany ka tao ny ramatoa vadin’ilay polisy. Norahonana hamoka vola izy. Raha ny filazany, natsipiny tamin’ izy ireo ny poketrany, tsy nisy afa-tsy vola 3 000 Ariary tao. “Tezitra ireo jiolahy ary nanatona ny armoara fampirimana ny vola hampidirina amin’ny alalan’ny bajaj. Vola efa nokasaina hividianana bateria mitentina 7 600 000 Ariary no tao, ary efa fantatry ny mpamily azy izany fa androany alakamisy 20 fe­broary no hividianana ilay bateria mba hiasan’ilay Bajaj”, hoy hatrany ny fitantaran-dramatoa. Nohamafisin’ ity farany kosa fa tombanana ho avy ato an-trano ihany no misy ifandraisana amin’ ireo jiolahy. “Tsy matoky an’ ilay tovolahy taizanay ato sy ilay mpamilin’ny Bajaj izay maty bateria, aho”, hoy hatrany izy.
Ankilany kosa, ny angom-baovao hatrany no nandrenesana fa misy valifaty tsy nahafahan’ny jiolahy namaky fantsona mitondra solika “Pepili­ne” ny raharaha. Ity polisy ity no tomponandraikitry ny fiambenana sy fanaraha-maso ny fantsona lehibe mitondra solika avy any amin’ny seranan-tsambo ka hatreo amin’ny orinasa Galana Anjoma. Ny alin’ny talata 18 febroary, nisy andian-jiolahy nikasa hamaky fantsona sy hangalatra solika, voasakan’ity polisy niharam-boina ity izany ka tsy tontosa ny asa ratsy. Ny alin’ny alarobia, nitrangan’ny fandrobana sy fanafihana azy io dia vao nirava nanao fisafoana ny fantsona teny amin’ny Depot sy Anjoma ry zareo. Vita izany tokony ho tamin’ny 11 ora sy 30 minitra, nanatitra basy tany amin’ny birao izy ary nody. Vao tonga tany an-trano anefa dia izao voatafika izao.

Sajo

Tsy misy ahina ny ainy

Naharitra adim-pamataranandro maromaro ihany ny fandidiana nanesorana ny bala tao amin’ny fihirifany. Nambaran’ny mpitsabo fa noho ny habetsahan’ny ra very dia nananosarotra ny fandidiana. Taorian’ny nivoahany ny efitrano fandidiana dia tsy naharitra antsasakadiny dia efa nahatsiaro tena Andriamanana Jean Christian. Vokany, afaka nitantara tsara, nandritra ny famangiana nataon’ny ben’ny Tanàna, ny mpitsara, Randriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain, izy. “Fantatro ary tadidiko tamin’ny feony daholo ireo olona ireo ary efa nanome toerana tokony hahitana ny sasany sy anarana izy”, hoy izy.
Vokany, teto dia tsy nisalasala ny ben’ny Tanàna manoloana ny ezaka ataon’ny polisim-pirenena, kanefa, izany polisy hiaro ny vahoaka izany indray no niharan’ny asan-jiolahy. “Raisiko an-tanana ny fandaniana rehetra mandra-pahasitrana azy ary toy izay koa izay sakafo manokana tokony hohaniny mba hiverenan’ny tanjany tsy ho ela. Mankahery anareo polisim-pirenena tsy hikely soroka amin’ny asanareo”, hoy ny ben’ny Tanàna. Nankasitrahin’ny fianakaviana sy ny talem-paritry ny filaminana anatiny, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian izany, ary nanome toky ity farany fa tsy hamelany raha tsy tratra izay nahavanon-doza. Araka izany, efa nahitam-bokany sahady izany izao ny tolakandron’ny hanoratana ny lahatsoratra, iray no efa voasambotra ka hanaovana fanadihadiana savaranonando.

Partager sur: