Voly vary safiotra : Mahafa-po ny tantsaha ny fanirin’ny ketsa

Hita sahady ny fihatsarana! 15 andro lasa izay no na­fafy ny masomboly vary safiotra tany Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Tapa-bolana aty aoriana, niaiky ny hatsaran’ny fanirin’ny ketsa ny mpamboly. Talanjona tamin’ny ha­betsahana sy hatsaran’ny ketsa izay tena mbola tanora i Jean Claude, mpamboly any Ambodimanga Ambatondra­zaka. « Tsinjoko sahady fa hi­tombo ny tahan’ny voka-bary ho azo miohatra amin’ny nampiasana masomboly mahazatra. Hampiakatra ny vokatra ity masomboly safiotra ity, sady hanampy ny filanay ho an’ny ankohonana sy hamidy eny an-tsena », hoy izy.
Tsy latsaka izany ny an’i Tahiry Christian, mpamboly any Ambohijanahary. « Tsi­ka­ritray fa maniry tsy misy hasarotana ity karazam-bary vaovao ity, ary mety tsara amin’ny tetiandrom-pambolena aty an-toerana. Zava-dehibe ny fahamarinan-toerana ny famokarana sy ny fahazoana vokatra tsara », hoy koa izy.
Tsy manaiky sady manohitra

Misy tokoa ireo tsy manaiky ny vary safiotra. Manohitra ny fampiasana azy ny sasany, milaza fa resaka politika fotsiny fa tsy tena tohana ho an’ny fambolena. Mitaky ny hampitsaharana ny fampielezana vaovao diso ny tantsaha, toa an’i Jean Claude. Maname­loka ny fanakianana ratsy i Tahiry Christian, manamafy fa efa nisy vokany tsara tany Alaotra io teknikam-pambolena io. Tsy zava-baovao eto Ma­dagasikara ny vary safiotra, efa nahazo 10 taonina/ha tany Alaotra Mangoro. Mitaky ny hanohizana ny tetikasa ny tantsaha.

Njaka A.

Partager sur: