Naiditra am-ponja ny lehiben’ny faritra Ihorombe teo aloha sy ireo olona efatra hafa niara-nitantana taminy, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany, ny mpitambola teo aloha sy ny mpitambola ankehitriny, ny mpanara-maso ny faritra ary ny mpanampy azy amin’ny fitantanam-bola. Voarohirohy noho ny fanodinkodinam-bolam-panjakana ny antony anenjehana azy ireo, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Bianco. Teo koa ny fanararaotam-pahefana sy fanaovana taratasy sandoka nataon’ireo olona dimy ireo. Mahatratra 245 tapitrisa Ariary ny vola voahodinkodina teo anelanelan’ny taona 2016 sy 2019, raha ny fanadihadiana nataon’ny Bianco Fianarantsoa.
Olona valo voarohirohy tamin’io raharaha io, no natolotra fampanoavana teo anoloan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) Fianarantsoa, ny 18 febroary 2025 lasa teo. Vokany, olona dimy nampidirina am-ponja, nahitana ireo olona voatanisa teo ambony ireo. Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana ary andrasana ny mety ho tohiny.
Mino