Miroso amin’ny dingana fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna ny eo anivon’ny Pac sy ny Bianco. Angatahana fankatoavana avy amin’ny fitsarana izany. Anisan’ny tokony hogiazana ny sambo iray sy trano efatra, ahitana hotely iray lehibe. Eo koa ireo trano, rihana enina sy trano fonenana roa ary tany ao Antsirabe sy any Sava.
Voatendry ho filoha voalohan’ny Fitsarana Tampony, Rajoelina Yves Hugues. Anisan’ny ny nivoitra nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo izany. Efa nisahana vonjimaika io andraikitra io hatramin’ny nandehanan’ny filoha teo aloha, Rakotonavalona Ranary Robertson, nisotro ronono ny tenany.
Hiverina an-tanindrazana amin’ny avrily ny kabeson’ny Ampanjaka Toera sy ireo miaramila roa niaraka taminy. Hivoaka ny herinandro voalohan’ny volana marsa ny didim-panjakana frantsay mamaritra ny hamerenana izany. Midika izany fa tsy ho fananan’ny fanjakana frantsay intsony ireo, araka ny nambaran’ny minisitra Mara Volamiranty Donna.
Efa nidina ho 750 Ar ny kapoakan’ny vary ao Toliary sy ny manodidina, araka ny nambaran’ny governoran’Atsimo Andrefana, Ranoelson Edally Tovondrainy. “Isaorana ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha” Rajoelina Andry, miezaka hatrany mamaha ny olana ara-tsosialy. Irariana ny hitazomana sy hampihenana ny vidim-bary io hatrany”, hoy izy.