Filoha Rajoelina Andry: “Tsy azo atao bontolo ny fitondrana firenena”

Hentitra ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fomba fitantanana ny firenena, ankehitriny. Nohamafisiny fa tsy azo ato bontolo izany. Nasiany tsindrim-peo ny tokony hanovana ny toe-tsaina.

«Ny fitondrana ny firenena tsy azo atao bontolo hoe te hitondra. Fanomezam-pahasoavana avy amin’An­dria­manitra io» , hoy ny filoha Rajoelina Andry, teny Mana­zary, Betsizaraina Avaradra­no, omaly, tamin’ny fitokanana ireo trano fonenana 55 ao anatin’ny Cité “Soa iadanana”. Misaotra an’Andriamanitra izy fa nomena vina. Fanambiny mandra-pahatapitry ny fe-potoam-pitondrany: tsy maintsy misy fiovana goavana eto Madagasikara. Amin’ny lafiny rehetra io. Hatramin’ny faran’ny taona, be dia be ny zavatra hatao. Efa hita ny lesoka sy izay tokony harenina. 3 600 any ho any ny trano fonenana sy trano vitan’ny fitondrana hatramin’izao. Miditra amin’ny dingana faharoa hananganana trano fonenana 45 ny fitondrana amin’izao.
“Raha misy zavatra tokony hovaina eto amin’ny firenana dia ny toe-tsaina voalohany indrindra”, hoy kosa izy ny amin’ny fihetsiky ny mpanohitra sasany momba ny fifidianana filohan’ny Vaomieran’ny vondrona afrikanina nananan’i Madagasikara kandidà. Ny olana, rehefa nanao fampielezan-kevitra tany amin’ireo filoham-pirenena dia nanaratsy ny kandidàn’i Madagasikara ny mpanohitra: tsy mety io, mahamenatra… Nefa ny an’ny olona, rehefa hoe voninahi-pirenena no resahina na firenena iza na iza io: miara-mientana avokoa ny rehetra manohana. Na fifaninanana ara-panatanjahantena aza: rehefa miatrika lalao, ohatra, ny Barea any Kaomoro, misy mivavaka ny sasany hoe aleo ho resy dia afa-baraka ny filoha. Toe-tsaina lomorina iza­ny.
Nihazo an’i Casablanca, Maroc, handraisany ny mari-pankasitrahan’ny African Leadership Magazine ny filoha Rajoelina Andry, omaly ihany. Izy no manana haitarika indrindra aty Afrika ho an’ny taona 2024.

R. Nd.

Partager sur: