Azon’i Madagasikara ny laharana voalohany amin’ny fifaninanana “Orange Summer Challenge”, andiany faharoa, tamin’ny alalan’ny tetikasa « Plastikôo ». Loka mitentina 28 000 euros no azon’ireo ekipa malagasy. Hetsika natao tany Casablanca-Maroc, ny alakamisy teo. Nisongadina ny Malagasy tamin’ny tetikasany izay mifototra amin’ny fanodinana ny fako plasitka ho fitaovam-panorenan-trano lovainjafy. Tanjona ny hampihena ny fandotoana sy hanome aina indray ireo fako eo amin’ny tontolo iainana ho fampandrosoana ny toekarena. Ampiasana ny teknolojia 3D ny tetikasa ka hamadihana ireo plastika ho lasa biriky ho toy ny « Lego » sy ahafahana manangan-trano mafy orina. « Reharehan’i Madagasikara tanteraka ny ekipa. Nitondra vokatra ny fahaizan’ireo tanora malagasy. Porofo izao fa nahomby ny fanaraha-maso nataon’ny Orange Digital Centers Madagascar, hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, i Frédéric Debord.
Fifaninanana karakarain’ny Orange Digital Centers ny «Orange Summer Challenge ». Manaraka fiofanana mandritra ny telo volana ireo tanora ka mamolavola tetikasa mifototra amin’ny teknolojia arahana lohahevitra iray. Lohahevitra tamin’ny taona 2024 ny hoe « Tech4Impact : l’entrepreneuriat au cœur du changement ». Marihina fa laharana faharoa i Tunisie tamin’ny tetikasa MEPS raha eo amin’ny laharana fahatelo kosa i Cameroun amin’ny tetikasa LeevLong.
Henintsoa H.