Nivoitra tamin’ny fanadihadiana fa betsaka ny zaza tsy nahazo fatram-baksiny na iray aza (tsy mbola nisitraka ny vaksiny atsindrona amin’ny fe, Penta 1). Na koa, nahavita ny ampahany fa tsy nahatody hatramin’ny farany. Maro amin’ireny no monina amin’ny tanàn-dehibe ka tsy voaaro amin’ny aretina azo sorohina amin’ny alalan’ny vaksiny. Napetraka nanomboka ny taona 2020 ny paikady fitadiavana ireny sokajin’ankizy ireny eny ifotony ho an’ny tanàn-dehibe maromaro eto Madagasikara (ACC). Tanjona ny hampihenana ny isan’ny zaza tsy nahazo vaksiny mialoha ny faha-5 taonany.
Nahazo ny anjarany i Mahajanga
Tanàn-dehibe iray nisitraka ny fanatontosana ny paikady ny distrikan’i Mahajanga I. Manana zaza latsaky ny 5 taona izay mahatratra 50 000 ity faritany ity, vao teraka hatramin’ny 11 volana ny 11 000 amin’ireo, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fanaovam-baksiny ao amin’ny distrika Mahajanga I, ny Dr Jaofeno Volatiana Emma. Andraikitra voalohany sahanin’ny sampandraharaha ny mandrindra ny asan’ny CSB ao anatin’ny distrika izay manana toeram-pitsaboana fototra 32 (miankina amin’ny fanjakana sy mahaleo tena). Tobim-pahasalamana 14 amin’ireo no misahana fanaovam-baksiny ary mitovy ny vaksiny rehetra omena. Nampandroso ny fanaovam-baksiny ho an’ny distrika ny fametrahana ny paikady ACC ho an’ny CSB fito miankina amin’ny fanjakana. Satria, nahazo fitaovam-pitaterana vaksiny ny distrika, avy amin’ny Unicef mpanohana ny tetikasa. Tuc tuc iray sy kojakojam-pahasalamana izany.
Miara-miasa amin’ny tobim-pahasalamana tsy miankina
Afaka nanao fanentanana tamin’ny haino vaky jery nanampy ny ray aman-dreny koa ny mpiasan’ny fahasalamana hanazavana fa mbola mila averina ny vaksiny tsy mbola nataon’ny zaza hatramin’ny faha-5 taona raha mialoha ny faha herintaonan’ny zaza ny fe-potoana nahazatra teo aloha.
Miara-miasa amin’ny tobim-pahasalamana tsy miankina ny tomponandraikitry ny fanaovam-baksiny ka nahazo fampiofanana momba ny fanavaozana ny fanaovana vaksiny amin’ny tanàn-dehibe ny mpiandraikitry ny CSB rehetra ao anatin’ny distrikan’i Mahajanga I.
Zaza faharoa an’i Narindra sy Herizo no nentiny natao vaksiny fahadimy tao amin’ny CSI Mahabibo satria tsapan’izy ireo fa mahasoa ny vaksiny hiarovana amin’ny aretina samihafa. Miaraka hatrany izy mivady rehefa hampanao vaksiny ny zanany. Toy izay koa no nikarakarany ny zanany voalohany. Tsy tara mihitsy izy ireo amin’ireo tetiandrom-baksiny miaro amin’ny aretina 12.