Rano miakatra : Mampirongatra aretina maro

Fotoana iray anisan’ny mampirongatra aretina maro eo amin’ny mponina ny fiakaran’ny rano, rehefa fotoan’ny orana tahaka izao. Mifangaro sy miparitaka amin’ireny rano ireny avokoa ny
maloto rehetra, eny fa hatramin’ny any anaty lava-piringa aza. Feno rano ny trano, ny lalana hizorana sy ny manodidina rehetra. Lasibatra indrindra amin’izany, ireo olona eny amin’ny faritra iva. Vokany, miparitaka ny aretim-pivalanana, ny aretin-koditra, gripa mahery, ny taovam-pisefoana, raha ny nambaran’ny mpitsabo nanontaniana. “Amin’ny ankapobeny, voan’ireo aretina ireo avokoa ny 75 hatramin’ny 80% ny marary tonga manatona ny toeram-pitsaboana”, hoy ny Dr Rakotonindrina Norbert, mpitsabo etsy 67ha. Nambarany fa mora mifindra ny aretina, raha vao misy olona iray voa ao an-trano.
“Ilaina hatrany ny midio amin’ny rano sy savony, rehefa avy miroboka ireny rano maloto ireny mba hialan’ireo mikraoba isan-karazany amin’ny vatana”, hoy izy. Ankoatra izay, ilaina ihany koa ny mitandrina amin’ny sakafo hohanina, manoloana izany fiparitahan’ny loto izany.

Mino

Partager sur: