Ilay finiavana politika no tsy misy. Atosika mafy. Omena hery sy vahana ny fananganana sekoly miteny sy mampiasa ny foto-panabeazana frantsay eto Madagasikara. Ho an’ny « Reny Malala », zarany aza mbola afaka mamatotra zanatany amin’ny lafiny maro izy. Fa ny Malagasy? Manahirana sy mety hamotika ny taranaka malagasy ny fampiasana ny tenindreny ho teny ibeazana? Ny « mpilalao » politika no mety hahavaly an’io!
Tsy tokony ho sakana amin’ny fahaiza-mifehy teknolojia ny fampiasana ny teny malagasy ho teny ibeazana. Raha atao amin’ny fiteny vahiny ny manabe ny zaza. Hanana fomba fisainana vahiny izy ireny. Faharoa, satria tsy azy ilay teny, mbola hamadika izany hifandraika amin’ny teniny izy. Miteraka fahasahiranana izany. Nisongadina io nandritra ireo velakevitra notontosaina momba ny « tenindreny » na « teny ibeazana », omaly.
Handray anjara amin’ny fanajariana ho tontolo maitso an’i Madagasikara ny mpanakanto. « Eny amin’ny Domaine Saint François Ambatomirahavavy indray ny fotoanantsika mpankafy sy ny tarika Ny Ainga, amin’ny fambolen-kazo fanao isan-taona, ny alahady 9 marsa 2025 izao ». Io no anisan’ny hetsika lehibe hotanterahin’ity tarika manana ny mampiavaka azy ity ho fanarenana ny faharavan’ny tontolo iainana
Ny kabary, fanorona, kalon’ny fahiny sy izay iray tarika amin’ireo, sisa no hany mahatahiry ny hasin’ny teny malagasy. Tsy tokony ho izay, anefa, fa ny Malagasy tsirairay mihitsy no mila manana izany. Raha tsy eo ny mpikabary, mpitahiry ny fomba, mpanao fanorona, mpihira kalon’ny fahiny sy ny kaiamba, hanao ahoana ny hiafaran’ny teny malagasy? Hiandry azy ireo foana ve? Mila manatanteraka ny adidiny ny reny (tenindreny, teny ibeazana).