Manana ny lanjany ara-toekarena ny sehatry ny harena ambanin’ny tany eto amintsika. Mibahan-toerana ny fanondranana fasimainty, maherin’ny 538 000 t ny naondrana tany ivelany, ny taona 2022.
Namoaka ny tatitra, ny 20 febroary teo, ny Rafitra iraisam-pirenena momba ny fangaraharana amin’ny fitrandrahana vaventy ny harena ambanin’ny tany (EITI) ho an’ny taom-piasana 2022. Voakasik’izany ny solika, ny entona gazy ary ny harena an-kibon’ny tany. Nampidi-bola 327,161 miliara Ar ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, nitondra 43,8% ny fanondranana any ivelany.
Orinasa voalohany mpitrandraka ny Ambatovy Minerals SA, manana anjara 20,79% sy ny Dynatec Madagasikara SA 23,01%, mitrandraka nikela (35 110 taonina) sy kobalta (2 961 taonina), mikambana ao amin’ny tetikasa Ambatovy. Mitentina 4 561 miliara Ar ny tetibidin’ny harena ambanin’ny tany naondrany, manome 82%. Faharoa, ny orinasa QMM SA, nanondrana fasimainty 555 914 taonina, mitentina 787 miliara Ar, manome 14%.
Manampy ireo, anisan’ny aondran’i Madagasikara any ivelany koa ny grafita trandrahin’ny orinasa Ets Gallois SA, nahatratra 112 173 taonina, mitentina 198,821 miliara Ar. Eo koa, ny kraomita mitotaly 23 473 taonina.
Asa sosialy sy tontolo iainana
Nahatratra 8 234 ny mpiasa misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany, ka lahy ny 7 061, raha vavy ny 1 173, tamin’ny taona 2022. Teratany malagasy ny 4 778 amin’ireo, ary vahiny ny 1 173.
Mandany vola amin’ny asa sosialy sy ny tontolo iainana ireo orinasa vaventy ireo. Manodidina ny 5 miliara Ar ny fitambaran’ny vola natokana ho an’ny asa sosialy tsy maintsy atao (83,3%), raha 3 miliara Ar ho an’ny asa sosialy an-tsitrapo (25,3%) ary 1 miliara Ar ho an’ny fitsinjovana ny tontolo iainana.
Marihina fa tatitry ny taom-piasana isaky ny roa taona lasa no avoakan’ny EITI.
Njaka Andriantefiarinesy