Tetikasa « Pipeline » Mandrare-Sampona: Heverina ho vita amin’ny volana marsa ny fotodrafitrasa

Andro aman’alina ny asa atao hamitana ny pipeline Mandrare-Sampona. Hovitaina amin’ny volana ambony ny fotodrafitrasa raha ny vina napetraka.

Efa vita ny 85% amin’ny asa fanorenana ny tetikasa pipeline Mandrare-Sampona, raha ny tatitry ny governoran’ny faritra Anosy, Rakotovelomanantsoa Voaha­ry. Vinavinaina ho vita tanteraka amin’io volana marsa io ny fotodrafitrasa rehetra.
Nandefa iraka ny fitondram-panjakana nijery ifotony sy nanome toromarika.
Olona maherin’ny 40 000, avy amin’ny tokantrano 8 000, ao anatin’ny kaominina Am­boasary Atsimo, Sampona, Maroalopoty ary Maroa­lomainty no hisitraka famatsian-drano amin’ny alalan’ity tetikasa goavan’ny fitondram-panjakana ity. Rano mirefy 600m3 isan’andro no hamatsy ireo tanàna maro ireo.
Ampiasaina amin’ny sehatra marolafy na ho an’ny mponina na hanondrahana ireo karazam-pambolena, indrindra hosotroin’ny biby fiompy, ny rano hovokarin’ny pipeline.
Iarahana amin’ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana, ao anatin’ny tetikasa Mionjo izay famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena, ity tetikasa ity.
Atrikasa narahina fifanakalozan-kevitra mba hampaharitra sy hisitrahan’ny vahoaka maro anisa ny tetikasa famatsian-drano no namaranana ny iraka nataon’ireto delegasiona ireto.
Niaraka nijery ny fizotran’ny asa ny governoran’ny faritra Anosy, ny sekretera jeneraly avy amin’ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana, ireo teknisianina avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany, ary ny Toekarena sy ny tetibola. Ankoatra ireo ny avy amin’ny orinasa Jirama.
Efa miandrandra ny fahavitan’ny asa ny mponina mba hahafahana misitraka rano fisotro madio sy manao fambolena maharitra iatrehana ny fiovaovan’ny toetry ny andro ary hamokarana mandavan-taona.

Tatiana A

Partager sur: