Mirongatra ny asan-jiolahy, zandary iray kilasy ambony no maty novoinin’ny jiolahy tamin’ny famaky tany Imanombo, omaly. Lasan’ireo olon-dratsy ny basy teny aminy.
Zandary kilasy ambony iray, antsoina hoe Rakotoky Fahamaro, hita faty teo anelanelan’ny fokontany Betsiriry sy Imanombo, ao anatin’ny kaominina Imanombo, distrikan’Antanimora Atsimo, faritra Androy, omaly tamin’ny 5 ora maraina. Hita nihoson-dra sy nitrosona tamin’ny arabe izy io, tamin’izany, vokatry ny vono nataon’ireo olon-dratsy azy. Nahita io vatana mangatsiakany io, ireo zandary mpiana-draharaha nandeha nihazakazaka teny an-toerana. Niantso tomponandraikitra avy hatrany izy ireo rehefa nahita ny tranga. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana voalaza ny avy amin’ny Compagnie Ambovombe sy ny Borigadin’ny zandary avy any Antanimora Atsimo ary ny avy amin’ny PA Imanombo. Niaraka tamin’ny mpitsabo, nanamarina sy nanao fizahana ny razana.
Fantatra, nandritra izany, fa voafira famaky ny hatoka sy ny helik’ilay zandary. Lasan’ny olon-dratsy nahavanon-doza ny basy teny aminy, izay nindraminy tamin’ny mpiara-miasa taminy, raha ny tatitra voaray avy zandary hatrany. Natomboka ny paikady ho enti-manenjika sy misambotra ary mamantatra ireo olon-dratsy nahavanon-doza taorian’ny tranga. Anisan’izany, ny fanarahan-dia ataon’ny zandary miaraka amin’ny fokonolona. Atao ihany koa ny fanakanan-dalana rehetra any an-toerana, mba hanatrarana ny tanjona. Nidina any an-toerana ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Ambovombe, manao ny fikarohana ny basy sy hijery ny fikarakarana ny razana.
Amin’ny ankapobeny, ireo olon-tsotra no tena lasibatra amin’ny asan-jiolahy eto amin’ny Nosy. Tato ho ato, tonga hatrany amin’ireo mpitandro filaminana ihany koa ny asa ratsy izay ataon’ny jiolahy. Lasan’ireo jiolahy avokoa ny basy izay ampiasain’ireny olona matiny ireny.
Mino