Vokatry ny fiakarana tosidra : Vazaha, 75 taona, iray hita faty tao an-tranony

Teratany vahiny iray, 75 taona, hita faty tao an-tranony, omaly tamin’ny 10 ora sy 30 minitra, tao amin’ny fokontany Ambohinambo, kaominina Ambanivohitra Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo. Maty teo am-pandriana natoriany sy nivoaka an-kilaoty izy io, rehefa nojeren’ireo tomponandraikitra. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany any an-toerana, mahakasika io tranga io, ny teo anivon’ny Borigadin’ny zandary ao Talamaty, omaly tamin’ny 10 ora sy 30 minitra. Nidina nijery ny zava-nisy teny an-toerana avy hatrany ny zandary miisa dimy, niaraka tamin’ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB II Talatamaty. Hita matory mipetraka tsy misy aina intsony tao amin’ny efitrano fatoriany io teratany vahiny io, nandritra ny fidinana ifotony. Sady nikaka an-kilaoty ihany koa izy tamin’izany. Tombanana ho maty ho azy noho ny aretina tosidra nitaiza azy io vazaha io, raha ny valin’ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Tsy nahitana dian-dratra ihany koa ny vatany. Heverina fa saika hitsangana handeha ho any amin’ny toeram-pivoahana izy io no fanina tampoka ka nitarika azy tamin’ny fahafatesany, raha ny tatitra voaray hatrany.
Efa maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny 07 desambra 2024 teo ny vadin’io teratany vahiny io, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny olona niara-mipetraka taminy. Tamin’ny mbola fahavelon’ny vadiny no efa fantatra fa misy tosidra io teratany vahiny io. Marihina fa teratany vahiny mizaka ny zom-pirenena frantsay izy io.

Mino

Partager sur: