AC: Mitady ny zaza tsy nahavita vaksiny

Midina eny ifotony ny mpanentana ara-pahasalamana. Antony, mitady ireo zaza tsy mbola nahazo fatram-baksiny Penta 1 sy tsy nahavita ny andiam-baksiny hatramin’ny farany izy ireo. Miandraikitra secteur iray ny mpanentana iray ka mahavita mitety tokantrano 15 isan’andro, araka ny fanazavan’ny AC, i Gastelle, ao amin’ny fokontany Fiofio, distrikan’i Mahajanga I. Raha vao mahafantatra izy fa misy zaza vao tera-bao dia mitsidika ilay tokantrano manazava ny maha zava-dehibe ny fanaovam-baksiny. Entiny an-tanana mandeha any amin’ny CSI Mahabibo mihitsy ilay reny hitondra ny zanany hatao vaksiny. Izy izay misahana ny fokontany Fiofio.
Manara-maso ny karinem-baksiny koa ny AC mba tsy hisy hadino ny vaksiny rehetra. Miavaka ny fokontany Fiofio izay miorina amin’ny toerana fanatobiana fako ka ao anatin’izany no mipetraka ny fianakaviana misy olona an-jatony.
12 ny fokontany sahanin’ ny CSI Mahabibo iray amin’ ireo nampiharana ny ACC eto Mahajanga I. Efa manana ny isan’ny zaza tokony hisitraka vaksiny isam-pokotany ny CSI ka misy ny fandaminana mi­ainga avy ao hitadiavana ilay zaza eny ifotony. 122 234 ny isan’ny mponina, 4375 ny zaza misitraka vaksiny, hoy ny mpitsabo lehiben’ny CSI, ny dokotera Randimbimanamian­tanaina Perle. 70 isan’andro eo ho eo no tonga manao vaksiny eo amin’ny CSI ka ny enina amin’ireo entin’ny AC an-tanana. Atao laharam-pahamehana izy ireo mba tsy hiandry ela.

Vonjy

Partager sur: