Niaraka nosamborin’ny zandarimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny ny mpianadahy miara-miasa manao vaky trano tao amin’ny fokontany Ambohimahitsy, kaominina Ambohomangakely, ny zoma 21 febroary teo. Manana fanalahidy am-polony karazany samihafa, hampiasain’i Rasta hanokafany tokantrano eny amin’ny manodidina izany. Hangalariny avokoa izay entana rehetra azo avadika vola. Toy ny vilany hatramin’ny zava-maneno. Tanteriny ao amin’ny anabaviny iray tampo aminy ireo entana halatra rehefa avy manao ny asa ratsiny izy. Mivarotra antsokosoko ny entana io anabaviny io aorian’izay ka hisasahana ny vidiny. Naharay fitarainana ny zandary ka nikaroka an’i Rasta. Voasambotra ity farany ka nentina natao famotorana. Nitoroka ny toerana nisy ny entana ary tratra tao ilay anabaviny mpiray tsikombakomba aminy. Nogiazana ireo entana halatra rehetra ary hatolotra ny fampanoavana izy mianadahy mpangalatra.
Tsiferana R.