Basikety: Tafita hiatrika ny « Afrobasket 2025 » ny Ankoay

Tratra ny tanjona ! Tafita hiatrika ny fifaninanana « Afrobasket 2025 » hatao any Angola amin’ny volana aogositra izao, ny ekipa malagasy, Ankoay lehilahy. Na dia teo aza ny faharesena nanoloana ny Repoblikan’ny Centrafrique, omaly.

Ampy nangalan’ny ekipa malagasy Ankoay, ny tapakilan’ny « Afrobasket 2025 », ny fandresena azony, nandritra ny fifaninandrinana tamin’ny faraona an’i Ejipta, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Raha hiverenana io lalao nampitaintaina hatramin’ny farany io, nandavo an’i Egypte tamin’ny isa 82 no ho 80 i Madagasikara, ka nahazo ny tapakila ho any Angola amin’ny volana aogositra. Lalao fanampiny tsy nisy teritery, araka izany, no natrehan’ny Malagasy mpilalao nanoloana ny Repoblikan’i Centrafrique, omaly, tao anatin’ny andro faran’ny fifanintsanana amin’ny Afrobasket 2025, ho an’ny vondrona D natao teto Madagasikara. Antony faharesen’ny Malagasy izany, satria tsapa ho tsy dia nanome ny fahaizany loatra ireo mpilalao, be ihany koa ny tsy fifantohana sy ny fanariana baolina ka nanjakan’ny mpifanandrina ny lalao. Niverina niafiafy toy ny nataon’izy ireo nanoloana an’i Côte d’Ivoire ny endri-dalao nataon’ny Ankoay nanoloana an’i Centrafrique, ka tsy nahomby. Na eo aza izay tsy fahombiazana izay, tsy nampiova na inona na inona satria hanao Afrobasket ny malagasy amin’ity taona ity. Tratra ny tanjona dia ny hitady fandresena iray hahafahana manamafy izay tapakila izay. Nitarika hatrany ny Repoblikan’i Centrafrique nanomboka tamin’ny ampahefa-potona voalohany hatramin’ny ampahefam-potoana farany ary tamin’ny isa 87 no ho 75 no nisarahan’ny roa tonta.

Tsy afa-po ny mpanazatra
Nahitsy ny mpanazatra raha nanontaniana mahakasika ny fahitan’ny lalao natrehan’ny Ankoay. «Tsy afa-po aho », hoy ny mpanazatra, Ravonimbola Jeannot na ny Coach Nônô, « indrindra fa tamin’ny lalao nanoloana ny Repoblikan’i Centrafrique », hoy hatrany izy. Nanantena ny handresy an’i Centrafrique ny ekipa malagasy kanefa maro loatra ny lesoka, ka iny ny vokatra. Ho an’ny fanomanana kosa, tsy ampy, hoy ny mpanazatra ary tsy ho lasa lavitra ny ekipa malagasy amin’ny « Afrobasket » raha toy ireny fanomanana natao tao anatin’ny fotoana fohy ireny no tohizana. Tetsy ankilany anefa, nanome ny tsara indrindra ny mpilalao sy ny staff teknika rehetra, nafana ihany koa ny fanohanan’ny mpijery.

Mi.Raz

Partager sur: