Ben’ny Tanàna novonoina: Notifirina teo amin’ny tendany Rasazy Narindra

Maty notifirin’ny jiolahy teo amin’ny tendany Rasazy Narindra, izay vao lany ho ben’ny Tanàna raha avy namonjy ny fametahana ny sambohadiny. Voalaza fa vela-pandrika sy vono olona nomanina no nanjo azy, afakomaly tao Itremo.

Teny an-dalana avy na­monjy ny nampisalorana azy ny samboady tao Ambositra, ny alakamisy 20 febroary teo, no lavo ny ben’ny Tanàna, Ranivoarivony Na­rindraniaina na Rasazy Na­rindra. Voalaza fa teo amin’ny 20 km miala ny kaominina ambanivohitra Itremo, anelanelan’Ambavalozakely sy Ankafotra no nitifiran’olon-tsy fantatra azy tao anatin’ny fiara nandehanany. Maty voatifitra avy hatrany teo amin’ny tendany ity ben’ny Tanàna ity, taorian’izay, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Prefektio­ran’Ambositra. Efa nidiny any an-toerana avy hatrany koa ny mpitandro filaminana eo anivon’ny CIRGN Fianarantsoa sy ny zandary eo anivon’ny faritra Amoron’i Mania ary ireo ma­nam-pahefana any an-toerana.

Naneho fiaraha-miory ny minisitera mpiahy
Tsy niandry ela ny minisitera mpiahy. Naneho fiaraha-miory tanteraka amin’ny fianakavian’ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Mangataboahangy, distrika Ambatofinandrahana, Ranivoarivony Narindraniaina ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohai­na Naina. Nanteriny fa novonoina tamin’ny fomba feno herisetra sy habibiana izany mpitantana kaominina izany. “Manameloka tanteraka izao fihetsika mamoafady sy feno habibiana izao ny tenanay sy ny mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny minisiteran’ny Fi­tsinjaram-pahefana sy ny fa­najariana ny tany”, hoy izy. Nankahereziny koa ireo ben’ny Tanàna rehetra amin’ny asa sy ny adidy mavesatra miandry azy ireo.

Synèse R.

Partager sur: