Fahaiza-mitarika ara-politika aty Afrika : Azon’ny filoha Rajoelina Andry ny amboara

Niakatra ny sehatra avo tamin’ity fifaninanana nokarakarain’ny gazety boky « Afri­can Leadership Magazine – ALM » ny filoha Rajoelina Andry. Voafidy ho “Leader politique africain de l’année” na mpitarika politika mendrika aty Afrika ny tenany rehefa nahazo salanisa ambony in­drindra, maherin’ny 65% raha 20% ny azon’ny filohan’i Seychelles ary 13% mahery kosa ny an’ny filohan’i RDC Congo. Ireo olon-tsotra no mi­fidy amin’ny alalan’ny fifidianana amin’ny Internet. Dingana voalohany amin’izany dia ireo mpamaky no mamaritra ny tokony ho “nominés”. Ny “comité éditorial” an’ny ALM kosa no mametra ireo ho fidiana isak’ireo sokajy 13 amin’ity fifaninana ity.
Anisan’ny fepetra sy masontsivana ahazoana izany ny fivoizana sy fiarovana an’i Afrika “Panafricanisme”. Nivoy sy niaro izany ny filoha Rajoelina Andry. Tahaka izany koa ny fiaraha-miasa sy fifanohanana eo amin’ny samy firenena afrikanina ary koa ny fiaraha-miasan’ireo firenena aty amin’ny ila bolatany Atsimo « Coopération Sud-Sud ». Eo koa ny adisisika nataon’ny filoha hampitomboina ireo famatsiam-bola azon’ny firenena afrikana. Anisan’izany ny “Fonds vert pour le climat”, enti-miatrika ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Manampy izany ny hetsika nataon’ny filohan’ny Repoblika ahazoan’ny Afrika toerana ho mpikambana ma­haritra ao amin’ny « Conseil de sécurité des Nations Unies ». Tombony ho an’ny filoha koa ny fananana vina sy drafitrasa hampivoarana an’i Afrika ary koa ny fivoizana ny endrika tsara an’i Afrika manoloana an’izao tontolo izao. Nanotrona ny filoha mivady tany an-toerana ireo filoha Lefitry ny Antenimieram­pirenena avy any Fianaran­tsoa sy Mahajanga. Teo koa ny minisitry ny Toekarena sy ny vola, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, sy ny minisitry ny  Fampiroroboana ny indostria sy ny varotra.

Synèse R.

Partager sur: