Hahazoana ny mari-pahaizana “Brevet fédéral de moniteur et d’instructeur et de grade supérieur ” ity fiofanana ity. Misy ihany koa ny mari-pahaizana « Brevet International de moniteur et d’instructeur ». Diplaoma ambony sy manana ny maha izy azy amin’ny fampianarana sy fitantanana ny lafiny teknika eo amin’ny taranja Muay Thaï izany, izay tokony hananan’ny teknisianina. Ao amin’ny sekoly “Muay Thaï Institute Rangsit”, ny Maître Gildas no mitrandraka traikefa, izay fianarana lehibe indrindra no sady eken’ny IFMA (International Fédération Muay Thaï) sy ny WMA (World Muaythai Council) ao Thailande sy afaka mikarakara fiofanana avo lenta toy izao. Ao amin’io toerana io no azo lazaina fa foibem-pampianarana ny Muay Thaï maneran-tany ary efa maro ireo kalaza maneran-tany nandranto fahalalana tao. Miara-miasa amin’ny federasiona iraisam-pirenena ny taranja Muay thaï ity sekoly ity ary izay Teknisiana efa niatrika fiofanana nampitain-davitra rehetra dia tsy maintsy miatrika ny fiofanana mivantana any Thailande avokoa. Anisan’izany ny Maître Razanajatovo Gildas.
Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara
Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ ny Muay Thaï, Rakotoalizao Hainatia Gervais fa voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara ary indrindra ho an’ny taranja Muay Thaï malagasy, ny nandehanan’ ny Maître Gildas any Thailande. Manome lanja ny federasiona ary indrindra manome lanja azy amin’ny maha Tale teknika nasionaly azy. Nitondra fanazavana ihany koa ity filohan’ny FMM ity mahakasika ny antony nandehanan’ ny Maître Gildas any Thailande. Nohamafisiny fa efa nanaraka fiofanana nampitain-davitra izy ary tohin’izany izao fiofanana izao. Betsaka koa hoy izy, ny mieritreritra fa tsy manana ny fenitra ilaina amin’ny fitantanana ny lafiny teknika ny Maître Gildas, kanefa efa hatramin’ny ela izy no nilona tamin’ity taranja ity fa tsy nisy nahita. Ny Maître Gildas no namolavola an’i Fazaraly, ilay mpikatroka malagasy manana ny maha izy azy sy efa niatrika ady matihanina tany Chine. Ho fanamafisana izany traikefa hananany izany no anton’izao fandehanany any Thailande izao, hoy hatrany ny fanazavana.
Mihaona amin’ireo kalaza maro eo amin’ny Muay Thaï
Ankoatra ny fiofanana sy ny kotrana izay tafiditra anatin’ny fandaharam-potoana any an-toerana, fotoana hahafahan’ny Maître Gildas mifanena amin’ireo kalaza maneran-tany amin’ny taranja Muay Thaï koa amin’izao iray volana sy tapany hijanonany any Thailande izao. Mandritra izany no hitadiavany fiaraha-miasa hahafahana mampandroso ny taranja Muay Thaï malagasy. Mahakasika izay fandaharam-potoana any an-toerana izay, mikotrana adiny 6 isan’andro (maraina, atoandro, hariva) ny Maître Gildas ary mizara telo ny fiofanana ataony mandritra ny iray volana sy tapany na 45 andro. Mpanazatra matihanina 3 no miandraikitra ny fampiofanana ity teknisianina malagasy ity any an-toerana, ahitana ny Master Lek, Master Sweat ary Master Thamanoon.
Maka traikefa amin’ny Ajah Nai Khandmtom
Ny Big Boss na ny Ajah na mpanjaka Nai Khandmtom ihany koa dia efa mifanerasera sy mizara traikefa amin’ny Maître Gildas any an-toerana. Araka ny fitantarany, io Big Boss io no faratampony indrindra ao amin’ny Sekoly hanarahana ny fiofanana ary manaja sy manaiky azy avokoa ny mpiofana sy maitre eo anivon’ny sekoly. Izany hoe, efa tena ny laharana voalohany na mpanjaka mihitsy no mifanerasera sy mifandray akaiky amin’ny teknisianina malagasy mandritra ity fiofanana ity. Hitondra zava-baovao sy hampivoatra ny taranja Muay thaï malagasy izany ary indrindra hampiakatra ny lentan’ny mpikatroka malagasy. Tsy avelany handalo fotsiny izao fanarahany fiofanana izay notsipihany fa nianto-tena tanteraka izy nandeha tany Thailande. Tanjony ny hampivoatra sy hanandratra avo ny taranja Muay Thaï Malagasy. Efa ela izy no naniry ny hanaraka izany fiofanana avo lenta izany saingy izao vao tanteraka.
Nanatontosa : Miarintsoa.Raz