Nitohy ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena (ANS) Ampefiloha, ny fampivondronana ny ekipa nasionaly malagasy amin’ny taranja tolona. Notsiahivin’ireo teknisianina eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Tolona (FML), fa natao hanomanana ilay fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay hatao any Maroc, ny 29 avrily hatramin’ny 5 mey ho avy izao izany. Raha tsy misy ny fiovana farany, hisy ny adina hatao afaka roa herinandro eo, ho an’ireto Malagasy mpilalao ireto. Tanjoana ny hahafantarana ireo atleta izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ity fifanintsanana any Maroc.
Nahatratra 60 mianadahy mahery teo ireo atleta tonga teny an-toerana. Nilaza ireo tomponandraikitra eo anivon’ny FML fa ireo efatra voalohany nandritra ny fifaninanana nasionaly izay natao farany teo sy ireo ankizy hita nisongadina avy amin’ny klioba eto an-toerana no miatrika ny fitiliana.
Ny alarobia sy ny sabotsy, no hanatanterahana ity hetsika ity, ary tsy ho tapaka intsony izany fa hitohy hatrany raha ny vaovao voaray, avy tamin’ny mpitantana ny taranja eto Madagasikara.
Tsara ny mampahafantatra fa ao anatin’ny politikan’ny rafitra federaly FML tantanan’i Raveloson Mamitiana, ny hanome sehatra ireo solofo mandimby, mba hampiakatra ny lentan’ny taranja tolona eto an-tanindrazana. Tsiahivina fa sokajy zandriny avokoa ireto mivondrona etsy Ampefiloha ireto, anisan’izany ny sokajy U-15, U-17, U-20, U-23.
Fitia Randria