Tena mila jerena

 

Hanao ahoana ny fiainam-bahoaka? Tsy hita be ihany… Tsy mahafa-bela, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fisian’asa… Ny orana amin’ny famokarana aza, iri-mahory fa tafahoatra amin’izay ilaina. Hanao ahoana ihany? Na ahoana na ahoana, tsy maintsy atrehina madavantaona ny fiainana isan’andro. Eny, na eo aza, ohatra, ny fanampiana, tsy azo ianteherana: tsy mahavita taona, tsy misy mandrakariva, tsy mahahenika ny rehetra…
Ahoana àry no hahatongavana amin’ny hoe fanampiana ialana amin’ny fanampiana? Iaingana ary ialana amin’ny fahasahiranana izany, fa tsy hoe mahafa-pahasahiranana tanteraka sy maharitra. Mby amin’ny hoe raha misy mitady hazandrano, aleo omena fintana na harato. Ilaina ny hetsika sy asa. Amin’izay, tsaroan’ny aina ny fisasarana. Tsy azo mora ny fihatsaram-piainana. Mby amin’ny tenin’ny Apostoly Paoly hoe: Izay tsy miasa, aoka izy tsy hihinana. Ahoana àry?
Misy miasa fa tsy mihinana na zara fa mihinana itanana aina. Voaambaka fa saika izay no mahazo ny ankamaroan’ny tantsaha noho ny afitsoky ny mpijiri-bokatra, ohatra? Misy koa ny tsy miasa nefa mihinana: fetsifetsy, misoloky, manararaotra… Izay rafi-pamokarana sy lalam-barotra tsy mandeha amin’izay izy no anisan’ny mampandringa be ny fiarahamonina sy ny fampandrosoana? Tsy izay tena miasa no mioty ny vokatra sy mahazo tombony, tsy izay tena mitrongy no homana…
Feno mpijirika na mpanelanelana ny fiarahamonina? Na lany any amin’ny tsy tena antony ny hoe trosa sy fanampiana, raha ny fijerin’ny mpandinika sasany. Be, ohatra, izay karazana atrikasa izay, fa tsy mbola tena miantraika any ifotony ny fampandrosoana sy fihatsaram-piainana ahay. Nahoana? Tena mila jerena… Mba tsy hisy ny sehatra na olona hadino.

R. Nd.

Partager sur: