TSELATRA

Lehilahy iray, nangalatra vata fampangatsiahana, saika matin’ny fitsaram-bahoaka tetsy Fenoarivo afakomaly. Tratran’ny olona teny am-pandehanana izy, ary saika hodoran’ny olona tamin’ny lasantsy. Tonga nandrava ny fikasana sy nitondra io lehilahy io kosa ireo zandary teny an-toerana.

Fiara iray nivadika tetsy Behenjy, omaly hariva. Nisongona tao anatin’ny fiolanana ny mpamily, ary nifanenana tamin’ny fiara iray hafa. Niala io fiara io izy ary nivarina tany an-kady. Ankoatra izay, nitrangana lozam-pifamoivoizana tetsy Antanimenabe Ampitatafika ny sabotsy teo, tamin’ny 10 ora alina. Nisongona fiara iray, ary nifanena tamin’ny fiara iray hafa ihany koa no nahatonga ny loza. Vokany, naratra avokoa ireo olona dimy tao anatiny.

Lehilahy roa nitondra basy vita gasy nosamborin’ny polisy, afakomaly, tetsy amin’ny kaominina Manorofify, distrikan’i Toliara II. Tratra tao anaty fiara, nandritra ny fisavana izy io. Ahina ho mety misy fifandraisany amin’ny fanafihana fiara mpitatitra ny fisian’izy io. Tratra nanao hosoka karapanondrom-pirenena ihany ko izy io.

Lasan’ny dahalo am-polony ireo omby 17 tao Bemandrevo, fokontany Maevarano, kaominina ambanivohitra Mahasolo, afakomaly, tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Nanao ny fanarahan-dia ireo zandary tany an-toerana, ka maty nandritra izany ny dahalo iray, niaraka tamin’ny basiny. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa ireo omby.

Partager sur: