Alaotra Mangoro: Zokiolona 700 nahazo fanampiana

Nitondra tantsoroka, nahitana vary sy menaka ary lamba firakotra ho an’ireo zokiolona miisa 700, ny minisitry ny Mponi­na sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, sy ireo mpiara-mi­asa aminy nandritra ny fandalovany tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro.
Zokiolona miisa 300 tao Ambatondrazaka, 200 tao Amparafaravola ary 200 tao Andilamena.
Niara-nisalahy tamin’ny fitsinjarana izany ny minisitry ny Atitany izay mpiahy ny faritra Alaotra Mangoro.
“Tafiditra ao anatin’ny andry telo ijoroan’ny fampandrosoana, ny fiahiana ny maha olona, no natao”, hoy ny minisitra. Raiamandreny, olobe amin’ny tany ireo zokiolona ka mendrika ny tohana sy omena ny hajany, raha ny fanazavana.
Nihaona tamin’ireo fikambanam-behivavy ao Ambatondra­za­ka koa ny minisitra ary nanentana azy ireo mba hanangana ny fikambanana ho ara-dalàna hahafahany misitraka ny tosika avy amin’ny fanjakana. Ilaina koa ny mamolavola tetikasa hahafahana manohana ireo karazana asa fihariana.

Tatiana A

Partager sur: