Antananarivo Renivohitra: Tsy manohana na manohitra befahatany ny RTM

Naneho hevitra momba ny vinan’asan’ny ben’ny Tanànan’Antanananarivo Renivohitra ny RTM, omaly. Hanohana izany izy ireo raha mitera-bokatsoa, araka ny nambarany.

“Manohana ny vinan’asa izahay, raha ohatra mitera-bo­katsoa ho an’ny tanàna sy ny mponin’Antananarivo”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny kaominina Antanana­rivo Reni­vohitra avy amin’ny antoko Refonda­tion totale de Mada­gas­car (RTM), Raharijaona Jean Fran­çois, teny Anala­kely, omaly. Raha misy ny vi­nan’asa kasain’ ny ben’ny Ta­nàna hatao ka mi­fanaraka amin’ny vinan’asa nandresen’ny RTM lahatra ny mponina tamin’ny fampielezan-kevitra, mifanitsy amin’izay ne­ritreretin-dry zareo izany: tokony hotohanana. Raha misy ny mifanipaka amin’izany, tsy isalasalana ny fanoherana azy. Tsy olona no toherina, fa ny he­vitra hitondrana ny tanàna. Eke­na raha mety; raha tsy mety, tsy hajabaka amina zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny tanàna sy ny mponina.
Baben’ny taranaka sy ny mponinan’Antananarivo ny fa­napahan-kevitra raisina indray mandeha. Farafahakeliny dimy taona izany, fa mety hobabena ao an-taona maro mifandimby. Ilaina marina sy matotra ny fanapahan-kevitra. Misolo tena ny mponina ny mpanolotsaina monisipaly. Mpanolotsain’ny tanànan’ Anta­na­na­rivo, fa tsy mpanolotsain’ny ben’ny Tanàna. Samy hafa izay. Raha ny la­làn’ny maro anisa, raha misy zavatra tsy eken’ny mpanohitra amin’ny fanapahan-kevitra raisina: tsy tafita izay rehefa atao ny fanapahan-kevitra farany. Na izany aza, adidin-dry zareo ny maneho hevitra amin’ny alalan’ny haino vaky jery amin’ny fampitana ny fanapahan-kevitry ny mpanohitra. Mba hahafantaran’ny mponina izay tompon’antoka tamin’ny fanapahan-kevitra noraisina izany.

R. Nd.

Partager sur: