Hotanterahina etsy amin’ ny Kianjaben’i Mahamasina, ny 4 ka hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao, ny « SOS Sokake Cup » na « Eco-tournoi international », taranja baolina kitra. Fifaninanana ho an’olona 11 ary natokana ho an’ny sokajy U15, lahy sy vavy. Io no nambaran-dRazafindrakoto Léon, talen’ny alan-javaboahary arovana any Thonye, Nouvelle-Calédonie, sady mpikarakara ny hetsika, tamin’ny mpanao gazety, tetsy Ambohidahy, omaly. Araka ny anaran’ny fifaninanana, hiara-dalana ny baolina kitra sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Firenena efatra no hiatrika izany ka anisan’ny ho avy i Nouvelle-Calédonie. Ankoatra izay, eo koa ireo avy atsy
amin’ny Nosy rahavavy izay efa eo am-pamaranana ny fanaovan-tsonia amin’ny fihaviany. Hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny lehilahy, ny 67 City Football Club, mankalaza ny faha-10 taonany ary ny Yfomac kosa eo amin’ny vehivavy. Tanjona ny hiarovana ny fanondranana sy fandripahana ireo sokatra izay harem-pirenena. Hampahafantarina ireo ankizy ny maha sarobidy ny sokatra, anisan’ny mahasarika ny mpizahatany ary mampiditra vola ho an’ny fiarahamonina malagasy. Tsiahivina fa feno 20 taona amin’ity ny SOS Tortues, anisan’ny manana andraikitra goavana amin’ny fiarovana ny sokatra eto Madagasikara.
Torcelin