Fampiasam-bola vahiny (IDE): Tafakatra 418 tapitrisa dolara ny eto Madagasikara

Mihatsara ny sehatry ny fampiasam-bola vahiny (IDE) eto Madagasikara na mbola maro aza ireo ezaka tokony hatao. Mam­pit­ombo ny fiforonana asa sy mampandroso ny toekarena ary mampiroborobo ny tontolon’ny fandraharahana ny fisarihana mpampiasa vola vahiny.

Firenena mbola anisan’ny mahasarika ireo mpampiasa vola i Madagasikara. Maro ireo sehatra mbola malalaka sy azo trandrahina eto. Ny taona 2024, mahatratra hatrany amin’ ny 418 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola. « Ambany io taha io raha oharina ny tamin’ny taona 2023, izay 519 tapitrisa dolara », hoy ny tale jeneralin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), Rafidy Josielle, omaly, teny Antaninarenina. Anisan’ireo firenena 4 voalohany mampiasa vola eto Madagasikara i Frantsa, Etazonia, Maorisy ary ny firenena japoney. Ireto farany izay nampitombo ny IDE teto amintsika nanomboka ny taona 2022 sy 2023. Mitotaly 28 ireo delegasiona solontenan’ireo mpampiasa vola vahiny tonga teto Madagasikara ny taona 2024, raha maherin’ny 120 kosa ireo orinasa niforona. Sehatra mahasarika mivantana azy ireo ny tontolon’ny fambolena, ny famokaran-damba, ny fotodrafitrasa. Eo ihany koa ny sehatry ny fitaterana, ny fizahantany, ny harena an-kibon’ny tany sy ny angovo ary ny indostria.

Tohana

Miisa 83 ireo tetikasa nahazo tohana tamin’ny EDBM nanomboka tamin’ny fananganana ny tetikasa. 14 tamin’ireo efa miditra amin’ny sehatra ambony kokoa amin’ny fampiasam-bola, izany hoe, efa tafapetraka hatramin’ny “business plan” sy tafatsangana ho orinasa. Tetikasa IDE avokoa ny 85,71%, raha fampiasam-bola avy eto an-toerana (IDN) ny 14,29%. Manamarika izany fa manomboka miarina ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Voalaza, nandritra ny fihaonan’ireo tomponandraikitry ny EDBM, omaly, ihany koa fa mahatratra 64,28% ireo tetikasa vaovao ary 35,72% ireo manohy ny asany hatrany. Noho izany, mitotaly 14,47% ireo orinasa manara-maso sy mahavita ny asany ara-dalàna.

Seha-pihariana

Mitotaly 155 963 300 dolara ny fampiasam-bola nahasarika ireo tetikasa voalaza etsy ambony. Lohalaharana amin’ireo sehatra nampiasam-bola betsaka eto Madagasikara ny tontolon’ny indostria, tafakatra 85 tapitrisa dolara. Manaraka azy ny angovo, 58 762 800 dolara. Manomboka mahazo vahana eto amin’ny firenena ihany koa ny fampiasana ny teknolojia (NTIC). Mitentina 8 730 000 dolara ny fampiasam-bolan’ireo tetikasa eto an-toerana. Taorian’ny krizy Covid-19, manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany, porofon’izany ny fiakaran’ny tahan’ny mpizahatany tonga eto amintsika. Mitombo isa manaraka izay koa ireo mpisehatra ka mampiroborobo ny fampiasam-bola, izay manodidina ny 2 259 000 dolara nandritra ny taona 2024. Voalaza tao anatin’ny tatitra nataon’ny EDBM fa mitentina 1 217 500 dolara ny fampiasam-bola teo amin’ny sehatry ny fambolena teto Madagasikara.
Ankoatr’izay, nitombo ny tahan’ny fiforonana asa eto Madagasikara, indrindra misy ny mpiara-miombon’antoka malagasy. Ny taona 2024, miisa 1 529 ireo orinasa nitsangana sy nisoratra anarana teny anivon’ny EDBM, raha ny fanazavana voaray. Porofo izany fa mitombo ny fampiasam-bolan’ny sehatra tsy miankina ireo tarehimarika ireo. Marihina hatrany fa nitombo 433 ireo orinasa nisoratra anarana eny anivon’ny EDBM nandritra ny telo volana faran’ny taona 2024. Nahitam-piakarany 20,2% ity tarehimarika ity raha oharina tamin’ny taona 2023. Orinasa manana mpiara-miombon’antoka malagasy avokoa ny 70% amin’izany.
Vina

Miisa 25 ireo tetikasam-pampiasam-bola andrasana ho an’ny taona 2025. Mi­tentina 5 tapitrisa dolara isaky ny tetikasa ny fampiasam-bola atao ary voakasika ao anatin’izany ny sehatra rehetra. Tafiditra ao anatiny ny fampivoarana ny famokarana (Trans­formation agricole), ny famokaran-damba, ny angovo sns. Misongadina manokana ireo tetikasa goavana miisa roa momba ny harena an-kibon’ny tany. Andrasana ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Emirats Arabo Mitambatra amin’i Madagasikara sy ny firenena Indianina vonona hampiasa vola eto amintsika. Tanjona ny hitazomana sy hisintomana ireo mpampiasa vola vahiny betsaka eto amin’ ny firenena. Tsiahivina fa andraikitry ny EDBM ny misintona ireo mpandraharaha ho avy eto Madagasikara, ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ary ny fanamorana hatrany ity sehatra ity. Miara-miasa amin’ny minisitera rehetra, ny fiadidiana ny Repoblika, ny Primatiora ary ireo rafi-panjakana samihafa ny EDBM. Miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina izy hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto amin’ny Nosy.

Nanatontosa: Henintsoa Hani

Partager sur: