Fanabeazana sy fitaizana: Vitsy mpisehatra ny fanoratana angano

Ry « Ikotofetsy sy Imaha­ka » efa navalon’ny taona ela. Efa hadinon’ny Malagasy ny fisiany. Tao anatin’ny 20 taona, nihena ny isan’ny mpanoratra angano. Rabenandra­sana Lalao, Arikom’s Randria, Ny Eja… Ireny anarana ireny hatrany no heno, fa ny hafa? Anisan’ny sarotra ny fanoratana angano, satria, maro ireo tsy maintsy hajaina. Antony iray mampihena ny isan’ny mpanoratra azy ity io. Eo ihany koa ny tsy fampiasana azy ireny any an-tsekoly intsony.
Tsy mahasarika loatra ny mpanoratra ihany koa ny angano, satria, ilay fanabeazana sy fitaizana amin’izao vanim-potoana izao mihitsy no nivadika ho sarimiaina. Tsy nozarina hamaky boky ny ankizy fa notezaina hijery televiziona. Na eo aza ny angano, mbola fandaniana goavana ihany koa vao voavadika ho sarimiaina izy ireny.
… Rehefa miresaka ny zaza malagasy. Hainy sy fantany amin’ny antsipirihany ny zava-boalaza ao anatin’ireny sarimiaina vahiny ireny. Tsy mitondra fanabeazana ho azy anefa ny sarimiaina nosoratam-bahiny.
Io tranga io no tokony hanaovana ezaka. Mamorona angano vaovao sy mamadika azy ireny ho tonga sarimiaina. Tsy anjaran’ny mpanoratra irery ny manao izany fa mila fiaraha-miasa amina sehatra maro. Mila averina ny fitiavan’ny zaza malagasy azy io. Raha mbola tsy vita ny sarimiaina, ampiasaina ny Radio. Fanao maneran-tany rahateo izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: