Fikambanana Justice et Paix: Mijanona eo akaikin’ny olona voailika

Natao sonia, omaly, ny firaiketana « mémorandum » eo amin’ny Fikambanana ka­to­lika, Justice et Paix, sy ny orinasa Base Toliara. Notsi­pihin’ny filohan’ny Vaomiera Justice et Paix, sady arsevekan’ Antsiranana, ny monseigneur Ramaroson Benjamin, fa mitoetra eo anivon’ny besinimaro, indrindra ny sokajin’olona voailikilika sy very zo ny fikambanana Justice et Paix. Satria ao anatin’ny foto-pampianarana ara-tsosialy an’ny Eglizy izany. Voalaza foana fa manan-karena i Madagasi­kara sy Afrika. Ho azy ireo, «harena ny harena raha mamokatra ho an’ny besinimaro, ho lasa loharanom-pahasoavana sy fandrosoana. Arofanina ny Eglizy amin’ny maha raiamandreny azy, mba handehanan’izany harena izany any amin’izay tokony hiantefany. Maro ny dingana efa natao mahakasika ny Base Toliara, ary tojo amin’izao fiaraha-miasa izao, toy ny fivoriana, ny fanentanana ary indrindra ny vavaka».
Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny Base Toliara, Ramahefarivo Jean Bruno, fa misy hatrany ny tsy fitovizan-kevitra amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena ambanin’ny tany maneran-tany. Malalaka ny fanehoan-kevitra, zo ny manohitra, fa tsy tokony ho sakanana koa ny zon’ny hafa handraharaha. Misy ny rariny, ny hitsiny, ary ny lalàna. Misokatra amin’ny rehetra ny orinasa, misy ny mangarahara, ary azo atao foana ny mifampiresaka. Voalazan’ny Lalàmpanorenana fa tsy tokony hisy ny olona ho voasakana hisitrahany ny zony.

Njaka A.

Partager sur: