Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambatonapoaka, distrikan’Arivonimamo, ny sabotsy teo, ny antoko politika Fivoi-Fivoarana. Nitarika izany ny depiote Rajerison Antoine, sady filoha nasionaly mpanorina ny antoko, niaraka tamin’ireo solombavahoaka sy ben’ny Tanàna voafidy amin’ny anaran’ny antoko, notronin’ireo tantsaha maro. Novolena tamin’ny velaran-tany 10 ha, nandritra izany, ny zana-kazo manodidina ny 5 000 fototra mahery. Nahitana karazan-kazo maro, toy ny kininina, kesika. Tanjona sy fanamby napetraky ny filohan’ny antoko ny hanamaitso indray ny tontolo iainana. “Ilaina ny midina ifotony rehefa hampandroso sy hanamaitso an’i Madagasikara”, hoy ny depiote Rajerison Antoine. Maro ireo karazana tsindry mahazo ny tontolo iainana sy ny zavamananaina maro, miha potika sy rava ny natiora. Nambarany fa miainga avy amin’ny fambolen-kazo avokoa ny zavatra rehetra, toy ny fiovan’ny toetr’andro, ny firotsahan’ny orana, ny fiarovana ny nofon-tany tsy ho kaohin’ny riaka, ny fanadiovana ny rivotra iainana. Miteraka loza maro ny tsy fisian’ny hazo, toy ny tsy fahampian’ny rotsakorana, ny tsy fisian’ny vokatra sy ny zavamananaina ka antony hanaovana ny hetsika. Hetsika fanao isan-taona ny fambolen-kazo notanterahin’izy ireo.
Mino