Notanterahina teny amin’ny fonjaben’ Antanimora, omaly, ny fananganan-tsaina eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nitarika izany ny minisitra Rakotomandimby Benjamin Alexis. Nambarany tamin’ny lahateniny fa betsaka ny zavatra vita ka ilana fanohanana ireo manao ezaka, miaraka amin’ny fanampian’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka. Notsiahiviny koa fa efa niditra ny 23 febroary teo ireo mpianatra miisa 600 eo anivon’ny sekolim-pirenena mampiofana ho mpandraharahan’ny fonja. Anisan’ireo ho mpiara-miasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana izy ireo manomboka izao, araka ny nambarany. Nanafatrafatra anefa ny tenany tamin’izany. “Mila fanavaozana goavana isika satria fanamby lehibe ny ady amin’ny kolikoly. Mialoha izany indrindra anefa ny toe-tsaina. Tsy maintsy ovaintsika izany”, hoy ihany izy.
Ankoatra izany, nankasitraka ny eo anivon’ny fandraharahana ny fonja ny minisitra amin’ny alalan’ny tetikasa Fanarenana, noho ny fitohizan’ny fizarana ny “Plumpy nut”. Natao hanampiana ireo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any am-ponja izany, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, natsidiky ny minisitra ny hanatanterahana amin’ny fomba manetriketrika, anio, etsy Anosy, ny fianianana sy hametrahana amin’ny toerana ny filoha voalohan’ny Fitsarana Tampony, Rajoelina Yves Hugues.
Synèse R.