Vokatry ny rotsakorana nandritry ny alina, nianjera tao amin’ny lakozia iray tetsy Ambanidia Volosarika ny tamboho teo amboniny, omaly. Vokany, maty voatotan’ny biriky ilay zazalahikely roa taona sy tapany.
Nitrangana fihotsahan’ny tamboho, nahafatesana zazalahikely roa taona sy tapany, tetsy Ambanidia Volosarika, omaly tamin’ny 6 ora sy sasany maraina. Nianjera tamin’ny lakozian’ny trano eo ambaniny io tamboho io. Telo mianaka izy ireo no tao amin’ilay trano, nahitana ny raim-pianakaviana sy ilay renim-pianakaviana ary ilay zazakely. Nirodana tampoka teo ambonin’ny tafon-dakozia ilay tamboho. Nigorobaka ny tafo, ary nianjera tamin’izy ireo ny biriky. Namoy ny ainy vokatr’izany, ilay zaza, raha toa ka naratra ilay raim-pianakaviana. Efa nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly avy hatrany izy taorian’izay. Torana sy safotra vokatry ny fahenoana ilay zanany maty kosa ilay raim-pianakaviana. Ary efa niverina tany an-tranony, omaly ihany, manaraka fitsaboana, raha ny fanazavana voaray. “Nitontona teo amin’ny fony sy ny fihirifan’ilay zaza ny biriky nianjera, ka antony tsy nahatana ny ainy”, hoy ny fanazavan’ny renibeny, raha nanontaniana. Efa nentina haingana tany amin’ny mpitsabo izy, fa tsy tana intsony ny ainy, raha ny fanazavana voaray. Avy be ny orana tamin’ny alina, ka antony nampihotsaka ilay tamboho.
Tonga teny an-toerana nanampy ireo niharam-boina ny avy ao amin’ny vondrona mpamonjy voina rehefa nahazo antso. Nahazo antso tamin’ny 7 ora latsaka fahefahany, tonga teny an-toerana, dimy minitra taorian’izay izy ireo.
Nandritra ny fotoan’ny orana, nanomboka ny 14 febroary lasa teo. Tafakatra 22 ireo namoy ny ainy teto amin’ny Nosy, raha ny tatitra avy amin’ny BNGRC. Olona iray maty an-drano tany Farafangana, iray hafa tao Antananarivo II, tetsy Ambanidia. Telo tao Antananarivo IV, tetsy Ilanivato. Iray hafa maty an-drano tany Ikongo. Efatra tany Taolagnaro, izay mpanjono an-dranomasina. Iray tao Antananarivo VI, raha roa tao Antananarivo III. Roa hafa teny Ambohidratrimo, iray tany Manjakandriana. Roa tany Antananarivo Avaradrano, Iray tany Ambatofinandrahana ary telo hafa tany Nosy varika. Nanambara kosa ny eo anivon’ny vondrona mpamonjy voina fa tena betsaka ireo trangana tamboho nihotsaka.
Mino