Olona telo no efa voasambotra noho ny raharaha famonoana ny ben’ny Tanàna voafidy tany Mangataboahangy, disitrikan’Ambatofinandrahana, Ranivoarivony Narindraniaina, ny zoma 21 febroary 2025 teo , tamin’ny 7ora hariva. Efa atao fanadihadiana eo anivon’ny zandarimaria any Ambatofinandrahana izy ireo amin’izao fotoana izao. Mety ho vono niniana natao no nokendrena natao tamin’izy io, hoy ny fianakavian’ny maty.
200 ireo olona nohenoina sy narahi-maso, tany amin’ireo karazana toeram-pisotroana, karaoke ary boîtes de nuit, ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Tontosa ny alin’ny 21 febroary lasa teo, ny hetsika natao hampahatsiahivana sy hanamafisana ny fanajana ny lalàna mahakasika ny toeram-pisotroana sy fialamboly amin’ny alina. Niaraka nanao izany ny Brigade féminine de proximité (BFP), ny Polisy miaro ny zaza sy ny olona marefo, ny Miady amin’ny heloka mamoafady (DPMPM), ary ny Unité d’intervention rapide (UIR) Mahajanga.
Jiolahy enina nihanika rindrin-tranon’ny talen-tsekoly tsy miankina ao Toliara I, afakomaly tamin’ny 10 ora alina. Niantso vonjy ireo olona tao anatiny, raikitra ny fifanjevoana. Vokany, olona iray voasambotra, raha tafatsoaka kosa ny dimy. Saika hangalatra moto nihidy tao anaty garazy ireto jiolahy ireto. Efa nohadihadiana eny anivon’ny polisy kosa izy io amin’izao fotoana izao.