Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo: Mila paikady mifandraika amin’ny fiovan’ny toetr’andro

Hotontosaina any Paris, ny 27 sy 28 marsa ho avy izao, ny fihaonambe iraisam-pirenena hampandrosoana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo maneran-tany (N4G).

Napetraka ny taona 2013 ny N4G ary tanterahina isaky ny efa-taona ka ny firenena mampiantrano ny fifaninanana amin’ny lalao Olimpika sy ny Olimpika natao ho an’ny atleta manana fahasembanana ara-batana no mandray ny fivoriana. I Frantsa no hisahana izany amin’ity taona ity. Tanjona ny hanetsika ny mpiray ombon’antoka iraisam-pirenena, ny fanjakana, ny firaisamonina sivily handray fanapahan-kevitra politika miaraka amin’ny vola ilaina hanatanterahana ny asa mifandraika amin’izay, ho an’ny dimy taona manaraka.
Nisy ny fivoriana hamaritana ny fanapahan-kevitra sy ny laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara manokana, manoloana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, omaly, teny Alarobia. Nitarika ny fihaonana ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nataon’ny filohan’ny Repoblika laharam-pahamehana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Tao anatin’ny 5 taona, nidina ho 40 % ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona raha 47% izany, araka ny fanadihadiana ny taona 2021. Mbola hanao ezaka ny governemanta tsy ho tara amin’ny fitomboany ny zaza. Vahaolana apetraka ny toeram-pandraisana fanarenana ny tsy fanjarian-tsakafo Creni sy Crena, hoy ny praiminisitra.

Mila fanabeazana
Ezaka atao ny fanabeazana momba ny fanjarian-tsakafo ho an’ny isan-tokantrano. Ny sakafo misy fa ny fikarakarana azy hitondra ny singa mpamelona no tsy ampy. Mila fantarina avokoa ny tetibola ampiasaina amin’ny ady ho an’ny fanjarian-tsakafo. Mihoatra ny 30% amin’ny tetibolam-panjakana no efa natokana ho an’ny sosialy. Zava-dehibe ny fametrahana paikady mifandraika amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Nanatrika ny fivoriana, omaly, koa ny sekretera jeneraly lefitra ao amin’ny Firenena mikambana sady mpandrindra ny hetsika SUN, Afshan Khan, izay mitsidika an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Vonjy

Partager sur: