“Afrobasket 2025” : Top 5 amin’ny mpilalao mendrika i M’Madi sy i Sitraka

Nisongadina ny Malagasy mpilalao, nandritra ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket” notan­ter­ahina ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra Top 5 i Mathias M’Madi sy Raharimanantoanina Sitraka.

Mbola maresaka sy eny am-bavan’ny maro hatramin’izao ny nahazoan’i Madagasikara ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”, ny volana aogositra izao, any Angola. Anisan’ny fi­renena nisongadina i Madag­asikara, ka nalaza nanerana an’i Afrika. Namoaka ny anaran’ireo mpilalao mendrika sy nahavita zavatra tsara ihany koa ny eo anivon’ny Fiba, omaly. Tafiditra ao anatin’ny
5 voalohany ny Malagasy mpilalao roa lahy. Eo amin’ny laharana faharoa no misy an’i Mathias M’Madi (15pts-8reb-6ast-24eff) ary laharana fahadimy kosa Raharimanan­toa­nina Sitraka (15pts-19reb-7blk-24eff). Raha fintinina ny zava-bitan’izy roa lahy ireto, mendrika tokoa satria anisan’ ny nitondra an’i Madagasikara amin’ny fandresena hatrany. Nisongadina i Sitraka tamin’ny lalao nifandonana tamin’i Côte d’Ivoire sy i Egypte izay anisan’ ny mpilalao nampidi-baolina be indrindra. Nampitolagaga ny maro kosa ny filalaon’i Mathias M’Madi ary mbola mijanona ho laharana voalohany foana izy hatreto raha ny fijerin’ny mpankafy ny taranja basikety. Ilay teratany Maliana, i Siriman Kanoute no laharana voalo­hany. Ilay teratany Nizeriana, i Caleb Agada, kosa no laharana fahatelo ary ilay libianina, i Mohammed Sadi, no fahefatra.
Anisan’ny vaovao re ihany koa, omaly, ny fahafantarana ireo ekipa 16 tafakatra hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, soakjy Seniors, ny “Afro­basket 2025”, hatao any An­gola, ny volana aogositra io. Ireto avy izany: i Angola, Séné­gal, Côte d’Ivoire, Soudan du Sud, Cameroun, RD Congo, Tunisie, Libye, Mali, Cap Vert, Nigeria, Egypte, Madagasi­kara, Rwanda, Guinée ary Ou­ganda. Tsiahivina, ny taona 2011 no niatrika izany “Afro­bas­ket”, sokajy Seniors izany farany i Madagasikara. 14 taona aty aoriana, tafaverina ho anisan’ny mpandray anjara indray ary milahatra miaraka amin’ireo firenena afrikanina kalaza sy manana ny maha izy azy, toa an-dry Angola sy Mali.

Mi.Raz

Partager sur: