« Art’ Raoty », fampirantiana hanasongadinan’i Zongo Bilaky ny fahaizany mifehy ireo heverina ho akora na zavatra tsy ilaina na tsy ampiasaina intsony eo amin’ny andavanandrom-piainana. Ranty hotanterahina ao amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, ny 6 marsa ka hatramin’ny 4 avrily izao.
Ankoatra ny maha zavakanto ny « Art’ Raoty ». Anisan’ny fandraisana anjara lehibe amin’ny fitandroana ny hatsarana sy fahadiovan’ny tontolo misy eo aminy ity sanganasan’i Zongo Bilaky ity. Manentana sy mampahatsiahy ny olon-drehetra fa ilaina sady ahavitan-javatra kanto ireo akory heverina fa fanary tahaka ny tavoahangy, potika lamba, kapila mangirana (CD)…
Araka ny hevitr’ity mpanakanto manana ny maha izy azy ity raha namintina ny seho endriky ny « Art’Raoty » sy ny hevi-dehibe fonosiny. «… Tsy voafefy ny aingampanahiko. Miankina amin’ny zavatra hitako no ampiasaiko. Maka na mividy ireny akora heverina fa tsy ilaina eny La Réunion Kely ireny aho. Mampiasa ny loko rano sy ny loko menaka… Art’ Raoty , eto, azo adika sy mitovy hevitra amin’ny araraoty amin’ ny teny malagasy. Fotoana fanararaotra hanomezan-danja zavatra iray na maromaro izao, mba tsy ho tratra aoriana ny fanaovana izany ». Raha manjifa ny sanganasa miaro ny tontolo iainana tahaka izao ny Malagasy, toerana maro no hadio. Hiova tsikelikely hanaraka izany koa ny toe-tsaina.
HaRy Razafindrakoto