Base Toliara : Zana-kazo 20 000 nambolena any Ranobe

Nanatanteraka ny fambolen-kazony ny orinasa Base Toliara ny 21 febroary teo. Natao tany Ranobe, kaominina Ankilimalinike, distrika To­liara II, izany, toerana hametrahana ny foibem-pitrandrahan’ny orinasa. Mitotaly 20 000 ny zana-kazo ka natsatoka tany Belalanda ny 2 000, tany anaty faritra Aro­vana (AP) Ranobe ny 18 000, nahitana karaza-kazo 21 amina velaran-tany 20 ha. Nifarimbona teny an-toerana ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana, Dredd Atsimo Andrefana, ny distrika Toliara II, ny VOI, ny polisin’ala ary ny mponina.
Nilaza ny tomponandraikitry ny seraseran’ny orinasa, Ramanakamonjy Guy Lau­rent, fa « hiandraikitra ny fikojakojana ny hazo nambolena ny mponina sy ny fokontany. Orinasa mitrandraka harena ambanin’ny tany tomponandraikitra ny Base, sarotiny amin’ny fitandroana ny tontolo iainana mba hisian’ny fampandrosoana ho lovain-jafy. Efa nataon’ny Base Ressour­ces tany Kenya, ary nahomby ny namerenana amin’ny laoniny ny toerana avy nitrandrahana ».
Notsorin’i Etienne, mponina any Benetsy, fa « azo antoka ny hiverenan’ny rotsakorana amin’izao famerenana amin’ny laoniny ny ala izao ». « Tsy fitsangantsanganana ity hetsika ity, fa fandraisana anjara amin’ny fiainam-pirenena haha maitso indray an’i Madagasikara. Hamboly hazo any an-toeran-kafa indray izahay rehefa mahomby ity natao ity », hoy ny lehiben’ny distrika Toliara II.

Njaka A.

Partager sur: