Vonona hamatsy vola hanohanana ireo orinasa tena madinika, madinika sy salantsalany (TPME) ary ireo vehivavy mpandraharaha ny BNI Madagascar sy ny Société financière internationale (IFC).
Mitentina hatrany amin’ny 30 tapitrisa dolara ny tohana omen’ny BNI Madagascar sy ny Société financière internationale (IFC) hanohanana ireo orinasa tena madinika, madinika ary salantsalany (TPME) ary ny fandraharahan’ny vehivavy eto Madagasikara. Tanjona ao anatin’izao fiaraha-miasa izao ny hampandrosoana ny toekarena sy ny fandraharahana eto amin’ny firenena. Porofo izao fa vaindohan-draharahan’ny BNI Madagascar ny hanampy ireo orinasa eto an-toerana amin’ny alalan’ny tolotra Kred, hamatsiam-bola ireo orinasa tena madinika. « Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ireo orinasa tena madinika sy madinika ary salantsalany. Antony mahatonga ny BNI Madagascar manolo-tanana azy ireo hatrany ho an’ny fampiroboroboana ny seha-pihariany sy hampandroso ny toekarem-pirenena izany », hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) BNI Madagascar, Rajaonarivelo Herintsalama, omaly, teny amin’ny Novotel, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa. Noho izany, hanamora ny famatsiam-bolan’ireo mpandraharaha izao fiaraha-miasa amin’ny IFC izao.
Toekarena
« Hanampy amin’ny famoronana asa sy hanamafy orina ny fihariana ka ahafahan’ireo orinasa maro misitraka ny famatsiam-bola ilainy, indrindra ho an’ireo vehivavy, ny fiaraha-miasa amin’ny BNI Madagascar », hoy ny talen’ny IFC eto Madagasikara, Mehita Fanny.
Ankoatra izay, hiantraika mivantana eo amin’ny toekarena ny tohana hatao. Dingana goavana eo amin’ny famatsiam-bolan’ireo orinasa TPME sy tosika ho an’ny fandraharahan’ny vehivavy ny tohana toa izao. « Porofo izao fa vonona hanohana ny fampivoarana ny toekarena lovainjafy ny tetikasa », hoy ny tale jeneralin’ny BNI Madagascar, Alexandre Mey.
Henintsoa Hani