Fanaovana akanjona miaramila: 14 ireo olona nosamborina

Taorian’ny fanentanana nataon’ny mpitandro filaminana, mahakasika ny fandrarana ny fanaovan’ny sivily ny fitafiana sy akanjo mitovy amin’ny fanamiana miaramila, nanomboka nisambotra ireo olona minia tsy manara-dalàna ny eo anivon’ny zandary sy polisim-pirenena ao Fianarantsoa, omaly. Ho an’ny tao Anjoma, Fianarantsoa, manodidina ny 14 ireo olon-tsotra nosamborina, izay nanao fitafiana mitovy amin’ny an’ny mpitandro filaminana. Notazomina eny anivon’ny biraon’ ny mpitandro filaminana izy ireo, hanaovana fanadihadiana sy halaina am-bavany.
« Voasazy higadra an-tranomaizina iray volana hatramin’ny dimy taona sy mandoa lamandy 300 000 Ariary hatramin’ny 9 000 000 Ariary ireo olona tsy nahazo alalana ka tratra manao ireny fanamiana na mitovy endrika amin’ny akanjon’ ny mpitandro filaminana ireny », araka ny fehezan-dalàna lah. 78-039, tamin’ny 13 jolay 1978, lahatsoratra 259 ao amin’ ny fehezan-dalàna famaizana. Hitohy amin’ny toerana hafa ny fidinana ifotony tahaka izao, fa tsy hijanona ao Anjoma Fianarantsoa ihany.

Mino

Partager sur: