Faritra andro ratsy: Vinavinaina ho lasa rivodoza

Momba ny toetry ny andro, omaly maraina, tany amin’ny manodidina ny 650 km andrefana somary avaratra andrefan’i Toliara no nisy ny foiben’ilay andro ratsy miforona ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika. 55 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 75 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Mikisaka mianatsimo andrefana izy ka mahafaka 9 km isan’ora. Vinavinaina hitombo izy ato anatin’ny 24 ora manaraka ka ahina hivadika ho rivodoza, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro.
Tombanana hikisaka mianatsimo atsinanana izy nanomboka halina ka hanambana mivantana ny tapany atsimon’ny Nosy, amin’ny faran’ny herinandro izao. Efa mikorontana tanteraka ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka andrefana sy atsimo andrefana iny. Vokatry ny oram-baratra, ny rivotra mafy ary ny alon-drano avy avaratra no mahatonga izany. Ho fiomanana, iangaviana ny mponina hampihatra ny fepetra mahakasika ny filazana fanairana, miloko maitso, ho an’ny faritra sy distrika Androy, Toliara I-II, Ampanihy, Amboasary Atsimo ary Taolagnaro.
Nitombo ho 24 ny olona namoy ny ainy vokatry ny rotsakorana be niseho ny 14 ka hatramin’ny 19 febroary lasa teo ary telo ny naratra. 21 250 ny traboina (tokantrano 5 587). Olona 7 802 no nafindra toerana (tokantrano 2 290) eny amin’ny toeram-pandraisana 31.

Vonjy

Partager sur: