Amin’izao fotoana, miakatra ho 1 tapitrisa ireo mpisitraka fiahiana sosialy ao amin’ny Cnaps.
Tena ambany kosa izany raha ny taona 2023, indrindra ho an’ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Nanodidina ny 7 hetsy ireo misitraka izany fiahiana sosialy izany teo aloha. 9 alina ireo mba misitraka fisotroan-dronono ary 250 000 ireo zaza sy reny mandray fanampiana mahakasika ny fianakaviana.
Nandritra ny atrikasa fakan-kevitra nataon’ny minisiteran’ ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, miaraka amin’ny Cnaps, no nahafantarana izany. Ireo mpiasa tsy manara-drafitra no tena tsy misitraka io fiahiana io, indrindra ireo mpiasa tena.
Efa lany andro ny lalàna mamaritra ny fisitrahana ny fiahiana sosialy satria efa tamin’ny taona 1960 no nandrafetana azy ka tsy manaraka ny zava-misy ankehitriny intsony.
Hivelatra kokoa amin’ireo mpanao asa tena ny tetikasa manomboka eto. Niompana amin’ny fisotroan-dronono sy ny fiahiana ara-pahasalamana ary ny fiahiana ny fianakaviana ny sosialy hatramin’izay ka izao hitarina amin’ny sehatra hafa izao.
Tatiana A