FLMN : Hamafisina ny tanjaky ny fiangonana

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fihaonana an-tampon’ny birao foiben’ny Fiangonana loteranina ma­lagasy nohavaozina (FLMN). Niarahany tamin’ny komity foi­be sy ny solontenan’ny FLMN isan-tsinoda ary ny fitandremana maro sy ny zanaka am-pielezana maro samihafa manerana ny Nosy izany. «Andiany voalohany ny fihaonana izay nahafahana nanao ny dinikasa lehibe namaritana ny fandrosoan’ny Fiangona­na», hoy ny filoha nasionaly, ny pasitora Andriamiharintsoa Solofo. Fotoana nahafahana nijery ny ezaka tokony hatao amin’ny fanitarana saha vaovao, antsoina hoe : «Triangle de Nord» mankany amin’ny faritra Atsinanana sy Toa­masina ihany koa izany. Ankoatra izay, maro ny tetikasa ataon’izy ireo, toy ny fananganana fotodrafitrasa isan-karazany. Nambarany fa hojerena manokana ny hanatanjahana ny fiangonana an-drenivohitra sy ny hanitarana izay marefo ary ny hamelomana indray ireo fiangonana maty.

Finoana manana ny maha izy azy

Manana ny maha izy azy ny foto-pinoana ao amin’ity fiangonana ity, ary tsy tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe «Secte », raha ny nambaran’ny filoha nasionaly. Marihina fa nivelatra nanomboka ny taona 2022 io fiangonana io, teto Madagasikara. Nanodidi­na ny 10 tapitrisa Ariary ny vola lany nandritra izany fihaonana izany. Tsy nisy famatsiam-bola avy any ivelany fa niantoka ny vola rehetra tamin’izany ireo zanaka am-pielezana rehetra tonga nanatrika ny fotoana. Nanatan­teraka ny tenin’Andriamanitra manao hoe: “Raha fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra”, hoy ny filohan’ny zanaka am-pielezana, Rakotomalala Ry Jean.

Mino

Partager sur: