INDRAY MIJERY

Tontosa ny fiofanana ho an’ny mpampiofana tao amin’ny faritra Diana, nandritra ny roa andro. Nifantoka tamin’ny fahafinaretana sy ny fahasalamana ara-pananahana sy ara-piraisana ho an’ny olona manana fahasembanana izany. Nandray anjara ireo solontenan’ny fikambanana miaro ny zon’ny olona manana fahasembanana sy ireo mpiasan’ny fahasalamana, izay efa niara-dia tamin’ny tetikasa hatrany am-piandohana. Tafatsangana ihany koa, araka izany, ny vondron’ny mpampiofana, izay hampita sy hanamafy ny fahaiza-manaon’ny mpikambana ao aminy, arakaraka ny sehatra sy fikambanana misy azy ireo avy.
Mitoetra ny fampitandremana mavo amin’ny fiakaran’ny rano (loza manambana) ho an’ny kaominina Ankadimanga, Ampangabe, Fiadanana, Ambo­hitrimanjaka, Iarinarivo, Sabotsy Namehana, Ankadikely Ilafy, Anosy Avaratra, Talatamaty, Ambohibao Antehiroka, ary Antananarivo Renivohitra, araka ny filazana nataon’ny Apipa, omaly maraina.
Misokatra ny toerana voalohany handraisana traboina eny amin’ny boriborintany fahatelo.
Ao amin’ny Gymnase Besarety no misy ity toerana ity. Tokantrano 81, ahitana traboina 302, no mitoby ao. Ahitana vehivavy bevohoka 4, olona misy kilema 3, olon-dehibe 12, ary zaza latsaky ny 5 taona 31 izy ireo. Nandray an-tanana ireo tsy salama avy hatrany ny dokotera ao amin’ny BMH sy ny CSB II Antanimena.

Partager sur: